Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha 66 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nitsanganan’ny Foloalindahy Malagasy.

« 𝙁𝘼𝙉𝘼𝙑𝘼𝙊𝙕𝘼𝙉𝘼 𝙃𝙊 𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙁𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊𝙎𝙊𝘼𝙉’𝙄 𝙈𝘼𝘿𝘼𝙂𝘼𝙎𝙄𝙆𝘼𝙍𝘼 ».

📍𝙋𝙖𝙧𝙫𝙞𝙨 𝙇𝙖𝙥𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙏𝙖𝙣𝙖̀𝙣𝙖 𝘼𝙣𝙖𝙡𝙖𝙠𝙚𝙡𝙮, 𝙛𝙖𝙝𝙖 01 𝙅𝙤𝙣𝙖 2026 – 𝙉𝙞𝙖𝙫𝙖𝙠𝙖 𝙩𝙖𝙣𝙩𝙚𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙤𝙠𝙖𝙛𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙠𝙖𝙡𝙖𝙯𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙣𝙞𝙫𝙚𝙧𝙚𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙡𝙚𝙤𝙫𝙖𝙣𝙩𝙚𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙞𝙩𝙨𝙖𝙣𝙜𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙡𝙤𝙖𝙡𝙞𝙣𝙙𝙖𝙝𝙮 𝙩𝙚𝙩𝙨𝙮 𝘼𝙣𝙖𝙡𝙖𝙠𝙚𝙡𝙮 𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙖𝙣𝙮.

✅ Nomarihana tamin’ny fananganan-tsaina notarihan’ireo Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana, ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta sy ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta, ary ihany koa ireo manam-pahefana sivily sy miaramila avy amin’ireo Andrim-panjakana sy Minisitera isan-tsokajiny izany.

📌 Tonga nanatrika izany ny mpiara-miasa teto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) izay notarihan’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.

Nampiavaka ny hetsika androany ny nampanidinana voromailala miisa 66 sy ny hetsika ara-kolontsaina mampiavaka an’i Madagasikara.

✅ Nafonja ny hafatra nifandimbiasana nandritra ny lahateny: nentanina ny rehetra mba tsy ho voarebireby na hivilana amin’ny lalan-diso, fa kosa hihaino sy hanaraka ny tari-dalana rehetra mba hitohizan’ny ezaka ho fanatsarana sy fampandrosoana ity Nosy malalantsika ity.

📌 Ao anatin’izao fankalazana izao ihany koa no hiantsoina ny Malagasy rehetra iray hina ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana ka samy hanangan-tsaina isan-tokantrano ary hitandro hatrany ny Fihavanana sy ny Soatoavina Malagasy.

Vous aimerez aussi...