Tetikasa « Izaho tokana »
𝗠𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝟯𝟬𝟬 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗜𝗻𝗱𝗼𝘀𝘁𝗿𝗶𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝘃𝗲𝗹𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗠𝗶𝗮𝗻𝗸𝗶𝗻𝗮 (𝗠𝗜𝗗𝗦𝗣) 𝗻𝗼 𝘃𝗶𝗻𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘀𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗯𝗶𝗼𝗺𝗲𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮

𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 02 𝙟𝙤𝙣𝙖 2026 – 𝘋𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘺 𝘮𝘪𝘳𝘢𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘩𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘴𝘪𝘯𝘨𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘰𝘭𝘰𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘵𝘴𝘪𝘳𝘢𝘪𝘳𝘢𝘺 (𝘴𝘢𝘳𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘦𝘯𝘥𝘳𝘪𝘬𝘢, 𝘢𝘵𝘪𝘮𝘢𝘴𝘰, 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘳𝘢𝘯𝘵𝘴𝘢𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢) 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘴𝘰𝘳𝘢𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘣𝘪𝘰𝘮𝘦𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢.
Nisolotena ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, nandritra ny fandalovan’ny mpikarakara ny hetsika « Izaho Tokana » teto anivon’ny Minisitera ny Talen’ny Kabinetra, TIDAHY Chantal sady nanokatra ny fisoratana anarana biometrika teto Anosy. Entina hanamaivanana ny mpiara-miasa sy hitohizan’ireo asam-panjakana hiantsorohan’ny tsirairay avy moa no nahatonga ireo mpikarakara manatona ny toeram-piasana toy izao.
Manome tombontsoa ho an’ny olom-pirenena sy ny firenena izany fisoratana anarana biometrika izany :
Fahazoana laharana tokana sy fiarovana
Fisoratana amin’ny fifidianana madio
Fanamorana ny asa sy tolotra
Fampandrosoana ara-tsosialy
Miara-miasalahy amin’ireo mpikarakara ny hetsika « Izaho Tokana » izay tetikasan’ny Governemanta ihany koa ny MIDSP, araka ny nambaran’ny Tale misahana ny Otrikarena Mahaolona (DRH), MALALAHARINIVO Norofidy Juliana.
Haharitra roa andro ny hetsika fisoratana anarana biometrika ho an’ny mpiara-miasa eto amin’ny MIDSP.
