Nandray ny toerany ny Tale Jeneralin’ny Fampivelarana ny sehatra tsy miankina vaovao.

𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 𝙛𝙖𝙝𝙖 03 𝙅𝙤𝙣𝙖 2026- 𝘛𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘮𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘵𝘢𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘭𝘦𝘢𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘋𝘎𝘋𝘚𝘗) 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘢𝘵𝘳𝘦𝘩𝘢𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘚𝘦𝘬𝘳𝘦𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘺, 𝘛𝘈𝘛𝘈𝘔𝘐𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘈 𝘔𝘢𝘯𝘢𝘯𝘬𝘰𝘳𝘢𝘪𝘴𝘪𝘯𝘢 𝘓𝘢𝘯𝘥𝘳𝘺.

✅Naneho teny fankasitrahana sy fisaorana amin’ny fahatokisana izay nomena azy ny Tale Jeneraly vaovao, Ramatoa MANANARIVO Arlise Winnie. Nanamafy amin’ny fahavononana sy ny fahitsiana ny tenany manoloana ny mpiara-miasa ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra. Ny tanjona dia ny hisian’ny vokatra ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy amin’ny asa rehetra izay atao hoy hatrany Izy.

✅Nisaotra ny Tale Jeneraly teo aloha, Ramatoa Lala Disaine, tamin’ny asa maro efa vitany sy ny anjara biriky nentiny nampandrosoana ny MIDSP ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera nandritra ny fandraisany fitenenana ary niantso ireo mpiara-miasa rehetra hifanome tanana indray amin’ny Tale Jeneraly vaovao hanatsarana ny asa rehetra efa natao.

Vous aimerez aussi...