Gem Connect 2026 – Andiany Voalohany
𝙉𝙞𝙛𝙖𝙢𝙤𝙩𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙩𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖𝙢-𝙥𝙖𝙣𝙟𝙖𝙠𝙖𝙣𝙖, 𝙣𝙮 𝙨𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙞𝙖𝙣𝙠𝙞𝙣𝙖 𝙖𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖𝙢𝙤𝙣𝙞𝙢-𝙥𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖 𝙢𝙗𝙖 𝙝𝙖𝙣𝙖𝙢𝙖𝙛𝙞𝙨𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖-𝙢𝙞𝙖𝙨𝙖 𝙝𝙤 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙨𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣’𝙞 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖.

Fanamafisana ny fifampiresahana sy ny fifampitokisana
Fampiroboroboana ny fampiasam-bola eto an-toerana sy avy any ivelany
Fampandrosoana ny indostria ho antoky ny fitomboan’ny toekarena
Fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampanjakana ny mangarahara
Nandritra ny GEM CONNECT 2026, nohamafisin’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, ny maha zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fananganana toe-karena matanjaka sy maharitra.
Notsindrian’Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina fa ny fifanakalozan-kevitra sy ny fampiroboroboana ny indostria no anisan’ireo fototra lehibe hanosehana ny fampandrosoana sy ny fanavaozana ny Firenena.
Marihina fa nisy ny fanaovan-tsonia ho fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny GEM sy Transparency International ho fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampanjakana ny mangarahara eo amin’ny sehatra tsy miankina.
Miara-manangana an’i Madagasikara matanjaka, mangarahara ary manintona ny mpampiasa vola.
