Fiaraha-miasa amin’ny CNUCED : Ho fampiroboroboana ny Indostria Malagasy

📍 Teny amin’ny Lapan-panjakana Iavoloha, ny 04 Jona 2026, dia nandray an’Andriamatoa Pedro Manuel Moreno, Sekretera Jeneraly Mpisolo toerana eo anivon’ny Conférence des Nations Unies sur le Commerce et le Développement (CNUCED), ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël.
🔗 Nanatrika izany fotoana izany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, Andriamatoa RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
🌍 Nandritra ny fihaonana no nanoloran’ny CNUCED ny vokatry ny fanadihadiana momba an’i Madagasikara. Ny tanjona dia ny hanovana ny harena voajanahary (ankibon’ny tany, fambolena) ho lasa vokatra vita eto an-toerana, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanomezana lanja ny fahaiza-manao malagasy.
📈 Dingana lehibe izao fiaraha-miasa izao ho fampahombiazana ny vinan’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny MIDSP amin’ny fametrahana fahaleovantena ara-toekarena maharitra ho an’ny firenena.

Vous aimerez aussi...