Gem Connect 2026 – Andiany Voalohany

𝙉𝙞𝙛𝙖𝙢𝙤𝙩𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙩𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖𝙢-𝙥𝙖𝙣𝙟𝙖𝙠𝙖𝙣𝙖, 𝙣𝙮 𝙨𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙞𝙖𝙣𝙠𝙞𝙣𝙖 𝙖𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖𝙢𝙤𝙣𝙞𝙢-𝙥𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖 𝙢𝙗𝙖 𝙝𝙖𝙣𝙖𝙢𝙖𝙛𝙞𝙨𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖-𝙢𝙞𝙖𝙨𝙖 𝙝𝙤 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙨𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣’𝙞 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖.

🤝 Fanamafisana ny fifampiresahana sy ny fifampitokisana

📈 Fampiroboroboana ny fampiasam-bola eto an-toerana sy avy any ivelany

🏭 Fampandrosoana ny indostria ho antoky ny fitomboan’ny toekarena

🔍 Fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampanjakana ny mangarahara

Nandritra ny GEM CONNECT 2026, nohamafisin’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, ny maha zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fananganana toe-karena matanjaka sy maharitra.

Notsindrian’Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina fa ny fifanakalozan-kevitra sy ny fampiroboroboana ny indostria no anisan’ireo fototra lehibe hanosehana ny fampandrosoana sy ny fanavaozana ny Firenena.

✍️ Marihina fa nisy ny fanaovan-tsonia ho fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny GEM sy Transparency International ho fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampanjakana ny mangarahara eo amin’ny sehatra tsy miankina.

Miara-manangana an’i Madagasikara matanjaka, mangarahara ary manintona ny mpampiasa vola.

Vous aimerez aussi...