Salon International des Affaires et de l’Entrepreneuriat (SIAE) andiany faha-5

𝗩𝗼𝘃𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮

𝙄𝙗𝙞𝙨 𝘼𝙣𝙠𝙤𝙧𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖𝙣𝙤, 19 𝙅𝙤𝙣𝙖 2026 – 𝙑𝙤𝙣𝙤𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙣𝙩𝙚𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙧𝙖𝙛𝙞-𝙥𝙖𝙣𝙟𝙖𝙠𝙖𝙣𝙖, 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙨𝙖 𝙫𝙤𝙡𝙖 𝙖𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙤𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙧𝙖-𝙩𝙚𝙠𝙣𝙞𝙠𝙖 𝙨𝙮 𝙖𝙧𝙖-𝙗𝙤𝙡𝙖 𝙝𝙖𝙣𝙤𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖 𝙚𝙩𝙤 𝙖𝙣-𝙩𝙤𝙚𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙞𝙧𝙤𝙗𝙤𝙧𝙤𝙗𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙞𝙣𝙙𝙤𝙨𝙩𝙧𝙞𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙞𝙫𝙚𝙡𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙨𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙞𝙖𝙣𝙠𝙞𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙨𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙩𝙤𝙚𝙠𝙖𝙧𝙚𝙣𝙖 𝙚𝙩𝙤 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖.

✅ Notsindrian’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina fa ny fahavononana, ny fandraisana andraikitra ary ny asa no tena ilaina eto amin’ny firenena, fa tsy kabary fotsiny. Ireo no nambaran’ny Minisitra nandritra ny fanolorana ny hetsika Salon International des Affaires et de l’Entrepreneuriat (SIAE) andiany faha-5, izay hotanterahina ny 19 – 22 Novambra 2026 eny amin’ny CCI Ivato.

📌 Tsy hijanona ho hetsika fotsiny ny SIAE, fa ho vovonana sy sehatra ifampizarana eo amin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fandraharahana, ahafahana manatanteraka asa fampandrosoana isam-pihariana. Ity hetsika ity dia manamafy ny firaisankina sy ny fifanohanana eo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina.

✅ Eo ambany Fiahiana avon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny SIAE izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny « Journée de l’Industrialisation de l’Afrique », dia karakarain’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), ny Sendikàn’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) ary ny RED Compagny. Mpanohana fototra kosa ny ONUDI. Manohana ihany koa ny hetsika ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF), ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), ary ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC). Ankoatra izany, ny Vondrona Eoropeanina sy ny PNUD dia isan’ireo mpiara-miombon’antoka.

📌 Nampahatsiahivin’ny Minisitra fa ny SIAE dia fotoana lehibe hanamarihana ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara sy hanomezana sehatra hifandraisan’ny mpandraharaha sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra.

Vous aimerez aussi...