Jeux Corporatifs – faha 65 taonan’ny Oniversiten’Antananarivo

𝗝𝗘𝗨𝗫 𝗖𝗢𝗥𝗣𝗢𝗥𝗔𝗧𝗜𝗙𝗦 – 𝗙𝗔𝗛𝗔 𝟲𝟱 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗢𝗡𝗜𝗩𝗘𝗥𝗦𝗜𝗧𝗘𝗡’𝗔𝗡𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗥𝗜𝗩𝗢
𝘼𝙣𝙠𝙖𝙩𝙨𝙤, 𝙛𝙖𝙝𝙖 20 𝙅𝙤𝙣𝙖 2026 – 𝘍𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘖𝘯𝘪𝘷𝘦𝘳𝘴𝘪𝘵𝘦 : 𝘔𝘪𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘮𝘪𝘧𝘢𝘯𝘰𝘮𝘦 𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢!
Androany sabotsy, nandray anjara mavitrika tamin’ny lalao ara-pirahalahiana nokarakarain’ny Oniversiten’Antananarivo teny Ankatso ny Fitondram-panjakana. Ity hetsika ara-panatanjahantena ity dia tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Oniversite.
Ny ekipan’ny Fanavaozana dia notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, sy Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana. Nahitana minisitra vitsivitsy ihany koa ka isan’izany Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, sy tompon’andraikim-panjakana ambony ihany koa. Teo amin’ny taranja baskety sy baolina kitra anaty trano (futsal) no nanehoan’ny ekipa ny fahaizany sy ny firaisankinany androany.
Ity fifaninanana ity dia tsy fialam-boly fotsiny, fa sehatra iray nanehoana ny firaisankina misy eo amin’ny Fitondram-panjakana, ny Oniversite, ary indrindra ny Orinasa tsy miankina. Ny Anjerimanontolo mantsy no fankana mamolavola ireo tanora ho lasa hery mpitarika sy mpanentana ny toekarena sy ny indostria rahampitso.
Ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra tsy miankina dia mitaky fiaraha-miasa akaiky amin’ny tontolon’ny fikarohana sy ny fampianarana ambony, mba hifanaraka tsara amin’ny filan’ny tsenan’ny asa ny fahaizan’ny tanora malagasy.
Miarahaba ny Oniversiten’Antananarivo nahatratra izao faha-65 taonany izao, ary misaotra ny mpikarakara rehetra tamin’ny fanasana!
