FIM 2026 Famelaberan-kevitra / Niankatsehatra ny MIDSP

𝗡𝗜𝗔𝗞𝗔𝗧𝗦𝗘𝗛𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗜𝗗𝗦𝗣
𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘦𝘭𝘢𝘣𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘳𝘰𝘢 𝘴𝘰𝘴𝘰𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘬𝘳𝘦𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘺 (𝘚𝘎) 𝘛𝘈𝘛𝘈𝘔𝘐𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘈 𝘔𝘢𝘯𝘢𝘯𝘬𝘰𝘳𝘢𝘪𝘴𝘪𝘯𝘢 𝘓𝘢𝘯𝘥𝘳𝘺 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘭𝘦 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 (𝘋𝘎𝘐) 𝘙𝘈𝘡𝘈𝘍𝘐𝘕𝘋𝘙𝘈𝘡𝘈𝘒𝘈 𝘕𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯𝘪𝘳𝘪𝘯𝘢.
𝗙𝗔𝗠𝗕𝗢𝗟𝗘𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗧𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔, 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗬 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗜𝗡𝗗𝗢𝗦𝗧𝗥𝗜𝗔 𝗠𝗔𝗧𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔 𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗔𝗦𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗥𝗘𝗛𝗘𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗔 𝗔𝗥𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔
Nasongadin’ny SG nandritra izany fa fotoana izao hanaingana ny toekarena eto Madagasikara amin’ny fanohanana ireo famokarana eto an-toerana hamaliana ny tinady. Nambarany fa anisany vinan’ny MIDSP amin’izao ny ampihenana ny fanafarana entana avy any ivelany.
Efa misy ny tetikasa MBIF iarahan’ny Minisitera sy ny PIC 3 anamorana sy anampiana ireo orinasa na tetikasa misehatra amin’ny fandraharahana ara-pambolena, ka anomezana tohana ara-bola ny tantsaha sy ireo mpandraharaha eny ifotony. Tetikasa tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, izay mikendry ihany koa ny famoronana asa sy ny vola miditra ho an’ireo mpamokatra any amin’ireo faritra misitraka ny PIC 3.
Voaresaka tao koa moa ny fandaharanasa MIARY, izay ao anatin’ny tetikasa PIC 3 ihany koa, ka mikendry hanatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra ao anatin’ny fizahan-tany sy ny fambolena.
𝗦𝗘𝗛𝗔𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔: 𝗩𝗜𝗡𝗔 𝗜𝗥𝗔𝗬 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗩𝗔𝗥𝗢𝗧𝗥𝗔, 𝗙𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔 𝗠𝗜𝗘𝗡𝗧𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗢𝗠𝗕𝗜𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔
Io kosa no lohahevitra izay nandraisan’ny Tale Jeneralin’ny Indostria, RAZAFINDRAZAKA Nainanirina anjara.
Notsindriany tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Governemanta, ireo mpiara-miombonantoka teknika sy ara-bola, ary ny sehatra tsy miankina. Nambarany fa tokony hifantoka amin’ny « fifandimbiasana lojika ara-pandaharana » ny ezaka fa tsy hionona fotsiny amin’ny fijery voafetran’ny tetikasa.
Tao anatin’ny lohahevitra hoe: « Sehatry ny fanondranana: vina iray ho an’ny varotra, fiaraha mientana ho an’ny fahombiazana », no nanasongadinany fa ny fananana vina mirindra sy voarindra no fanalahidy hahafahana manatontosa ny fanodinana eto an-toerana, manamafy ny fahaiza-mifaninana, ary mampitombo ny tombom-barotra. Fomba fiasa izay mamela ny fampitoviana ny dika sy ny lasa amin’ireo hetsika atao, ny fampivondronana ny enti-manana, ary ny fanatsarana maharitra ny fahombiazan’ireo seha-pihariana malagasy eo amin’ny fanondranana.
