Hirona amin’ny fanodinana ara-Indostrialy sy ara-Toekarena i Madagasikara!
𝙉𝙮 05 𝙅𝙤𝙣𝙖 2026 𝙩𝙖𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙉𝙤𝙫𝙤𝙩𝙚𝙡, 𝙣𝙖𝙢𝙥𝙖𝙝𝙖𝙛𝙖𝙣𝙩𝙖𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙤𝙛𝙞𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 𝙣𝙮 𝙩𝙖𝙩𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙖𝙫𝙤𝙖𝙠𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝘾𝙉𝙐𝘾𝙀𝘿 𝙢𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙞𝙨𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙧𝙖-𝙩𝙤𝙚𝙠𝙖𝙧𝙚𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙣𝙜𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙣𝙙𝙤𝙨𝙩𝙧𝙞𝙖 𝙚𝙩𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖.
Ny tanjona dia mazava : ny hahazoana vokatra azo tsapain-tanana sy haingana ao anatin’ny roa taona, miaraka amin’ny fampihenana ireo loza mety hitranga sy ny fisarihana famatsiam-bola.
Nasongadin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Nampoina Ny Riana, ireo teboka 3 lehibe laharam-pahamehana :
1️⃣ Ny famokarana akora fototra : Tsy maintsy ampitomboina izany, satria raha tsy ampy ny akora fototra dia hijanona ho fotodrafitrasa fotsiny ny indostria fa tsy hahavita hamokatra.
2️⃣ Ny fizahantany : Fanamafisana sy fampivoarana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ity sehatra efa miandrandra fivoarana ity.
3️⃣ Ny angovo : Ny tetezamita mankany amin’ny fampiasana angovo maharitra sy madio.
🚀 Ireo sehatra afaka manana vokatra tsara avy hatrany :
▪️ Ny fambolena sy ny fanodinana ara-tsakafo : Hararaotina ny fananana akora fototra betsaka amin’ny alalan’ny fanodinana ny vary, katsaka, mangahazo, voankazo ary menaka avy amin’ny zavamaniry eto an-toerana.
▪️ Ny harena an-kibon’ny tany : Manoloana ny fitomboan’ny filàna mineraly stratejika maneran-tany, tsy maintsy aodintsika eto an-toerana ny harenantsika mba hamoronana asa, hampitomboana ny vola miditra, ary hametrahana an’i Madagasikara ho hery lehibe amin’ny tetezamita ara-angovo.
▪️ Ny lamba sy ny hoditra : Sehatra goavana ahafahana mamorona asa betsaka sy mampiroborobo ny hambom-po « Vita Malagasy ».
Tsy hianona ho mpanondrana akora fototra fotsiny intsony i Madagasikara, fa hamadika ny harenany ho tena hery ara-toekarena sy ara-indostrialy!
