Atrikasa fikaonan-doha isam-paritra momba ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanohanana ny sehatra tsy miankina

𝙑𝙖𝙠𝙞𝙣𝙖𝙣𝙠𝙖𝙧𝙖𝙩𝙧𝙖, 10-11 𝙅𝙤𝙣𝙖 2026 – 𝙉𝙤𝙩𝙖𝙣𝙩𝙚𝙧𝙖𝙝𝙞𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙀𝙨𝙥𝙖𝙘𝙚 𝙈𝙖𝙢𝙥𝙞𝙝𝙖𝙣𝙩𝙖 𝘼𝙣𝙩𝙨𝙞𝙧𝙖𝙗𝙚 𝙣𝙖𝙣𝙙𝙧𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙮 𝙧𝙤𝙖 𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤 𝙣𝙮 𝙖𝙩𝙧𝙞𝙠𝙖𝙨𝙖 𝙛𝙞𝙠𝙖𝙤𝙣𝙖𝙣-𝙙𝙤𝙝𝙖 𝙞𝙨𝙖𝙢-𝙥𝙖𝙧𝙞𝙩𝙧𝙖, 𝙞𝙯𝙖𝙮 𝙣𝙖𝙢𝙥𝙞𝙫𝙤𝙣𝙙𝙧𝙤𝙣𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖 𝙖𝙧𝙖-𝙞𝙣𝙙𝙤𝙨𝙩𝙧𝙞𝙖𝙡𝙮, 𝙣𝙮 𝙨𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙞𝙖𝙣𝙠𝙞𝙣𝙖, 𝙣𝙮 𝙧𝙖𝙛𝙞-𝙥𝙖𝙣𝙟𝙖𝙠𝙖𝙣𝙖, 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖𝙢𝙤𝙣𝙞𝙢-𝙥𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖 𝙖𝙧𝙮 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙢𝙥𝙞𝙖𝙧𝙖-𝙢𝙞𝙤𝙢𝙗𝙤𝙣’𝙖𝙣𝙩𝙤𝙠𝙖 𝙖𝙧𝙖-𝙩𝙚𝙠𝙣𝙞𝙠𝙖 𝙨𝙮 𝙖𝙧𝙖-𝙗𝙤𝙡𝙖.
Nizara ho vondrona dimy ireo mpandray anjara ka nifantoka tamin’ny fandrafetana paikady ho fampiroboroboana ny indostria sy fanohanana mivantana ny sehatra tsy miankina eto Vakinankaratra. Izany dia nifototra tamin’ireo angon-drakitra sy fanadihadiana ary fikaonan-doha efa natao tany aloha, mba hametrahana paikady mifanaraka amin’ny zava-misy marina sy ny filàn’ny Faritra.
Nisolo tena ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, Atoa RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, nandritra ny atrikasa, Atoa TATAMIARISOA Manankoraisina Landry, Sekretera Jeneraly. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fanohanana ny PME/PMI, ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ary ny famoronana asa.
Taorian’ny atrikasa dia natsangana ny vaomiera miisa enina, izay hametraka ny fototry ny rafitra maharitra ho an’ny Dinika Fanjakana–Sehatra tsy miankina isam-paritra, hanohizana ny fifampidinihana sy hanaraha-maso ny fanatanterahana ny drafitra :
Fanodinana eto an-toerana sy rojom-pihariana
Fanohanana ny PME/PMI sy fampidirana amin’ny ara-dalàna ireo mpisehatra tsy ara-dalàna
Famatsiam-bola, fampiasam-bola ary tontolon’ny fandraharahana
Fidirana amin’ny tsena, kalitao ary fanamarinana
Fanofanana, fandraharahana, asa ho an’ny tanora sy ny vehivavy
Famoronana ara-teknolojia, fotodrafitrasa ary fampandrosoana maharitra
Ny tetikasa PAISF izay vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana no nanohana ny fanatanterahana ity atrikasa ity.
Nandritra ny diany teto Vakinankaratra dia nitsidika ny orinasa ODOF “Ampalia” ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, ary nitsidika ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Minisitera eto Vakinankaratra.
