Fampandrosoana ny orinasam-panjakana SECREN : Voatendry ny Tale Jeneraly vaovao

📍𝘼𝙣𝙩𝙨𝙞𝙧𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 – 𝘏𝘪𝘯𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘰𝘧𝘰𝘯𝘢𝘪𝘯-𝘣𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘚𝘌𝘊𝘙𝘌𝘕 𝘚.𝘈 (𝘚𝘰𝘤𝘪𝘦́𝘵𝘦́ 𝘥’𝘌́𝘵𝘶𝘥𝘦𝘴, 𝘥𝘦 𝘊𝘰𝘯𝘴𝘵𝘳𝘶𝘤𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘦𝘵 𝘥𝘦 𝘙𝘦́𝘱𝘢𝘳𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘕𝘢𝘷𝘢𝘭𝘦𝘴) 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘦𝘯𝘥𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘢𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘍𝘌𝘓𝘐𝘊𝘐𝘌𝘕 𝘔𝘪𝘭𝘴𝘰𝘯 𝘩𝘰 𝘛𝘢𝘭𝘦 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘺 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰.

📌 Ny orinasa moa dia eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina.

✅Olona manana traikefa raikitra sy efa mahalala tsara ny antsipirian’ny fandehan-draharaha ao amin’ny SECREN izy, satria efa nitàna andraikitra ambony maro tao nanomboka ny taona 1995.

✅Tena dingana lehibe ho an’ny SECREN ny fananana mpitarika nivoaka avy ao an-toerana, manana fahalalana lalina ny tantara, ny olana, ary ny hery anatin’ny orinasa mba hitondrana izany amin’ny fahombiazana vaovao.

Vous aimerez aussi...