Fananganan-tsaina | MIDSP


📍 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 07 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘰𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.

📌Nafonja ny hafatra nampitain’Andriamatoa Minisitra nandritra ny lahateniny : « mila miasa haingana isika ary miasa tsara ». Nanao antso ho an’ny mpiara-miasa rehetra izy ny mba hanatanterahana amim-pahavitrihana ny andraikitra napetraka amin’ny tsirairay, ho tombontsoan’ny Malagasy 33 tapitrisa.

📌Andraikitra lehibe napetrak’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, RANDRIANIRINA Michaël, amin’ny MIDSP ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina, izay anisan’ny andry iankinan’ny fitomboan’ny toekarem-pirenena.

Teboka telo no iorenan’ny fomba fiasa :

📌 Miasa haingana

📌 Manome vokatra azo tsapain-tanana sy misy fiantraikany amin’ny vahoaka

📌 Mitondra Haivao

✅Nandritra izany ihany koa no nitaterana ireo asa sy laharam-pahamehana mbola miandry ny Minisitera, ary nanaovana tatitra fohy momba ny fandraisan’anjaran’ireo mpiara-miasa nisolo tena ny MIDSP tamin’ny lalao nasionaly ASIEF 2026, izay notanterahina tany Manakara. Anisan’ny vokatra azon’ireo solontenan’ny Minisitera ny medaly volamena sy volafotsy tamin’ny taranja Kick Boxing ary medaly volafotsy kosa teo amin’ny taranja VTT.

✅ » Miasa miaraka isika ary miaraka mampandroso!  » 🇲🇬

#MIDSP#FanangananTsaina#ASIEF2026

Vous aimerez aussi...