Tsiahy ny tolona – 25 Septambra 2025

« 𝗙𝗜𝗝𝗢𝗥𝗢𝗔𝗡𝗔, 𝗙𝗜𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡𝗞𝗜𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗜𝗡𝗝𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔 »

📍 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 25 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘙𝘰𝘯𝘥 𝘗𝘰𝘪𝘯𝘵 𝘈𝘮𝘣𝘰𝘩𝘪𝘥𝘢𝘩𝘺 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 “𝘛𝘴𝘪𝘢𝘩𝘺 𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘭𝘰𝘯𝘢 2025”, 𝘦𝘯𝘵𝘪𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘩𝘢𝘵𝘴𝘪𝘢𝘳𝘰𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘭𝘰𝘮-𝘣𝘢𝘩𝘰𝘢𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 25 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2025, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢, 𝘯𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢𝘮𝘪𝘭𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘧𝘪𝘬𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘢𝘮𝘪𝘩𝘢𝘧𝘢.

👉 Tonga nanome voninahitra ny fotoana ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana efatra mirahalahy, ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, ka anisan’izany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.

✅Nomarihana tamin’ny antsa tononkalo sy hira nanamarika ny tolona ny fotoana, nitohy tamin’ny fitokanana ny tsangambato fahatsiarovana ary nofaranana tamin’ny fametrahana fehezam-boninkazo.

📌Amin’izao vanim-potoanan’ny Fanavaozana izao, maro ireo fandraisana andraikitra handrasan’ny vahoaka amin’ny Mpitondra. Manana anjara lehibe amin’izany ny MIDSP, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina, izay isan’ireo kitro hifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena.

🇲🇬 “Fijoroana, Firaisankina ho an’ny Taninjanaka.”

Vous aimerez aussi...