Fanombohana ny taom-pilomanosana 2026-2027 | Ligin’Analamanga

𝘕𝘪𝘴𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘭𝘢𝘩𝘢𝘥𝘺 11 𝘰𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026, 𝘵𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘥𝘰𝘣𝘰 𝘧𝘪𝘭𝘰𝘮𝘢𝘯𝘰𝘴𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘕𝘚 𝘈𝘮𝘱𝘦𝘧𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢, 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘰𝘮-𝘱𝘪𝘭𝘰𝘮𝘢𝘯𝘰𝘴𝘢𝘯𝘢 2026-2027 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘓𝘪𝘨𝘪𝘯’𝘈𝘯𝘢𝘭𝘢𝘮𝘢𝘯𝘨𝘢, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘢𝘩𝘪𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘱𝘪𝘭𝘰𝘮𝘢𝘯𝘰 130 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘬𝘭𝘪𝘰𝘣𝘢 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 9.

✅Nanatrika sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fifaninanana, tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana sy amin’ny maha Minisitra mpiahy ny Faritra Analamanga azy, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.

📌Tanjona ny hampiroborobo ny fanatanjahantena eo amin’ny tanora, hampivelatra ny fahaizan’ireo mpilomano ary hanomanana ireo atleta hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena.

Vous aimerez aussi...