Fampifanarahana ny fampisam-bola Indostrialy amin’ny fitakiana ara-tontolo iainana

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 13 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘦𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢𝘯𝘰 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘌𝘍 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘢𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘵𝘦𝘬𝘯𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘖𝘧𝘪𝘴𝘺 𝘕𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘯𝘵𝘰𝘭𝘰 𝘐𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 (𝘖𝘕𝘌).

✅ Nifantoka tamin’ny fanazavana ny dingana sy ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fanadihadiana ny fiantraikan’ny tetikasa amin’ny tontolo iainana sy ny lafiny sosialy, indrindra ho an’ireo tetikasa sokajy A, ny atrikasa.

📌 Tanjona ny hanampiana ireo orinasa indostrialy miatrika sakana amin’ny fananganana sy fanokafana orinasa, ka hanamafisana ny fanohanan’ny Fanjakana azy ireo hoy ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.

Vous aimerez aussi...