PNRDC : Mitohy any Bongolava ny fanisana ireo orinasa Kaoperativa

𝘛𝘴𝘪𝘳𝘰𝘢𝘯𝘰𝘮𝘢𝘯𝘥𝘪𝘥𝘺, 13 Oktobra 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘰𝘮𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘥𝘪𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘺 𝘳𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘰𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘬𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢, 𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘰𝘨𝘳𝘢𝘮𝘢 𝘕𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘗𝘕𝘙𝘋𝘊 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘉𝘰𝘯𝘨𝘰𝘭𝘢𝘷𝘢. 𝘛𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘦𝘧𝘦𝘬𝘵𝘪𝘰𝘳𝘢𝘯’𝘪 𝘛𝘴𝘪𝘳𝘰𝘢𝘯𝘰𝘮𝘢𝘯𝘥𝘪𝘥𝘺 𝘯𝘰 𝘯𝘢𝘯𝘢𝘰𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢. 𝘔𝘪𝘪𝘴𝘢 175 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘬𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘣𝘰𝘭𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘰𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘋𝘪𝘴𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘛𝘴𝘪𝘳𝘰𝘢𝘯𝘰𝘮𝘢𝘯𝘥𝘪𝘥𝘺 𝘴𝘺 𝘍𝘦𝘯𝘰𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰𝘣𝘦. 80 𝘯𝘰 𝘦𝘧𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘭𝘢̀𝘯𝘢 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘩𝘢-2023-016 𝘢𝘳𝘺 𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘥𝘪𝘮𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘯𝘰 𝘬𝘦𝘯𝘥𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘩𝘢𝘷𝘪𝘵𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘦𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘻𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰.

✅ Ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE), Ramatoa FALIARIVONY Kezia, sy ny Tale iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) misahana ny Faritra Bongolava, Ramatoa JAORIZIKY Patricia, no nisolo tena ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, nandritra izany.

🎯 Ny tanjon’ny PNRDC, izay tohanan’ny PNUD ara-bola moa, dia ny hananana antontan’isa azo antoka sy voamarina momba ireo orinasa kaoperativa manerana ny nosy. Hanampy amin’ny fanaraha-maso sy ny fampandrosoana ity sehatra ity izany.

📢 Antso ho an’ireo kaoperativa rehetra ao Bongolava:

Aza adinoina ny manararaotra izao fotoana izao hanamarinana sy hanavaozana ny antontan-taratasy ary handraisana anjara amin’ny fanisana.

Efa mandray anareo isanandro ao amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina ao Tsiroanomandidy ny ekipan’ny Minisitera.

Vous aimerez aussi...