Document de Stratégie Pays 2022 – 2026 : Fanalavana hatramin’ny faran’ny taona 2028

𝘊𝘢𝘳𝘭𝘵𝘰𝘯 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 12 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘋𝘰𝘤𝘶𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘥𝘦 𝘚𝘵𝘳𝘢𝘵𝘦́𝘨𝘪𝘦 𝘗𝘢𝘺𝘴 (𝘋𝘚𝘗) 2022-2026, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘉𝘢𝘯𝘬𝘺 𝘈𝘧𝘳𝘪𝘬𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 (𝘉𝘈𝘋). 𝘛𝘢𝘧𝘪𝘥𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘭𝘢𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘦-𝘱𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘻𝘺 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢 2028, 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘦𝘻𝘢𝘬𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘦𝘧𝘢 𝘯𝘢𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢.
Mifantoka amin’ny fanohanana ireo sehatra stratejika, toy ny fambolena, ny indostria, ny famokarana ary ny fotodrafitrasa ity paikady ity, mba hampitomboana ny vokatra, hisarihana ny fampiasam-bola ary hamoronana asa.
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanatanterahana izany ny MIDSP, tarihin’ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny sehatra indostrialy sy ny sehatra tsy miankina, ho fampiroboroboana ny toekarena sy ny fampandrosoana maharitra ary mitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka Malagasy.
