Fampandrosoana ny seha-pihariana siramamy eto Madagasikara

𝗙𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗦𝗜𝗥𝗔𝗡𝗔𝗟𝗔 (𝗦𝗼𝗰𝗶𝗲́𝘁𝗲́ 𝘀𝘂𝗰𝗿𝗶𝗲̀𝗿𝗲 𝗱’𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗶𝘃𝗮)

📍𝙈𝙤𝙧𝙤𝙣𝙙𝙖𝙫𝙖, 28 𝙅𝙤𝙣𝙖 2026 – 𝘏𝘢𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘢𝘧𝘢𝘬𝘢 𝘩𝘦𝘳𝘪𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘷𝘪𝘵𝘴𝘪𝘷𝘪𝘵𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘮𝘱𝘢𝘮𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘪𝘳𝘢𝘮𝘢𝘮𝘺 𝘚𝘐𝘙𝘈𝘕𝘈𝘓𝘈, 𝘩𝘰𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢, 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘦𝘭𝘺 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘐𝘙𝘐𝘕𝘈 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘢𝘦̈𝘭.

📌Ny dingana voalohany amin’ity tetikasa goavana ity dia mitentina 70 tapitrisa dolara ary haharitra eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 24 volana. Hisy mpampiasa vola vahiny ho avy eto Madagasikara handinika ny fotodrafitrasa sy ny filàna ara-teknika amin’ny fanarenana ny SIRANALA.

📌Fanoitra lehibe ho an’ny fampandrosoana ny faritra Menabe ity fanarenana ity ary mitondra famerenana ny famokarana siramamy amin’ny alalan’ny fanavaozana ny fotodrafitrasa, famoronana asa vaovao ho an’ny tanora ao Morondava sy ny manodidina, fampiroboroboana ny toekarena isam-paritra, indrindra ao amin’ny faritra Menabe ary indrindra fampihenana ny fanafarana siramamy amin’ny alalan’ny famokarana eto an-toerana.

✅Ny SIRANALA dia isan’ireo fotodrafitrasa lehibe ara-toekarena eto Madagasikara, nampiasa olona maherin’ny 3 000 teo aloha. Ny fanarenana azy dia heverina ho fanoitra vaovao amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto amin’ny firenena.

Vous aimerez aussi...