Hetsika « FOIRE AUX CREDITS ET INVESTISSEMENTS 2026 » : Manampy ny fandrosoana ara-bola sy ny fanavaozana ara-teknolojika ny MIDSP

𝐶𝐶𝐼 𝐼𝑣𝑎𝑡𝑜, 10 𝐽𝑜𝑙𝑎𝑦 2026 – 𝑁𝑜𝑠𝑜𝑘𝑎𝑓𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑚𝑏𝑎 𝑜𝑓𝑖𝑠𝑖𝑎𝑙𝑦 𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑎𝑛𝑦 𝑛𝑦 𝑎𝑛𝑑𝑖𝑎𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑟𝑜𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑜𝑖𝑟𝑒 𝑎𝑢𝑥 𝐶𝑟𝑒́𝑑𝑖𝑡𝑠 𝑒𝑡 𝐼𝑛𝑣𝑒𝑠𝑡𝑖𝑠𝑠𝑒𝑚𝑒𝑛𝑡𝑠 (𝐹𝐶𝐼) 2026, ℎ𝑒𝑡𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑒𝑟𝑎ℎ𝑖𝑛𝑎 𝑛𝑦 10 𝑠𝑦 11 𝐽𝑜𝑙𝑎𝑦 2026 𝑎𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝐶𝐶𝐼 𝐼𝑣𝑎𝑡𝑜. 𝐸𝑜 𝑎𝑚𝑏𝑎𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑎𝑟𝑖ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑖𝑡𝑒𝑟𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑇𝑜𝑒𝑘𝑎𝑟𝑒𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑚-𝑏𝑜𝑙𝑎 (𝑀𝐸𝐹) 𝑎𝑟𝑦 𝑒𝑜 𝑎𝑚𝑏𝑎𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑎ℎ𝑖𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑖𝑡𝑒𝑟𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑚𝑝𝑖𝑟𝑜𝑏𝑜𝑟𝑜𝑏𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝐼𝑛𝑑𝑜𝑠𝑡𝑟𝑖𝑎 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑚𝑝𝑖𝑣𝑒𝑙𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑆𝑒ℎ𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑡𝑠𝑦 𝑀𝑖𝑎𝑛𝑘𝑖𝑛𝑎 (𝑀𝐼𝐷𝑆𝑃) 𝑖𝑡𝑦 ℎ𝑒𝑡𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑖𝑡𝑦.
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina nandritra ny lanonam-panokafana ofisialy ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria (DGI), RAZAFINDRAZAKA Naina. Ny anjara birikin’ny MIDSP dia ny fampiroboroboana ny fanavaozana ara-teknolojika sy ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny mpandraharaha, ny sehatra ara-bola ary ny sehatra tsy miankina, ho fanohanana ny fampiasam-bola sy ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara.
Mitondra ny lohahevitra « Finance & Technologie – Investir pour une finance durable », ny FCI 2026 ary mampivondrona mpandray anjara miisa 26, ahitana banky, microfinance, orinasa fiantohana ary fintechs. Vinavinaina hahasarika mpitsidika maherin’ny 2.000 ity hetsika ity, izay sehatra iray hanamafisana ny fidirana amin’ny famatsiam-bola sy hampiroboroboana ny fampiasam-bola eto Madagasikara.
