Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Kaoperativa : Mitohy ny hetsika eny ifotony ataon’ny DIRIDSP Antananarivo

𝑨𝒏𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐, 11 𝑱𝒐𝒍𝒂𝒚 2026 – 𝑨𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒑𝒐𝒍𝒊𝒕𝒊𝒌𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑴𝒊𝒏𝒊𝒔𝒊𝒕𝒆𝒓𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒐𝒃𝒐𝒓𝒐𝒃𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒆𝒌𝒂𝒓𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒇𝒐𝒕𝒐𝒏𝒚 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒐𝒉𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒑𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒎𝒂𝒅𝒊𝒏𝒊𝒌𝒂 𝒔𝒚 𝒔𝒂𝒍𝒂𝒏𝒕𝒔𝒂𝒍𝒂𝒏𝒚, 𝒅𝒊𝒂 𝒎𝒊𝒕𝒐𝒉𝒚 𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒏𝒚 𝒉𝒆𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒅𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒇𝒐𝒕𝒐𝒏𝒚 𝒂𝒕𝒂𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒆𝒌𝒊𝒑𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒕𝒂𝒍𝒆𝒂𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒎-𝒑𝒂𝒓𝒊𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒐𝒃𝒐𝒓𝒐𝒃𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑰𝒏𝒅𝒐𝒔𝒕𝒓𝒊𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒆𝒍𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑺𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝑴𝒊𝒂𝒏𝒌𝒊𝒏𝒂 (𝑫𝑰𝑹𝑰𝑫𝑺𝑷) 𝑨𝒏𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐. 𝑨𝒔𝒂 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆 𝒓𝒐𝒂 𝒔𝒐𝒔𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒏𝒆𝒏𝒕𝒊𝒏𝒂 𝒏𝒂𝒏𝒂𝒎𝒂𝒓𝒊𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒊𝒕𝒚 𝒉𝒆𝒓𝒊𝒏𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐 𝒊𝒕𝒚 : 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒏𝒈𝒐𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏𝒕𝒐𝒏𝒕𝒂𝒏-𝒌𝒆𝒗𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒎𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒏𝒚 𝒊𝒏𝒅𝒐𝒔𝒕𝒓𝒊𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒌𝒂𝒐𝒑𝒆𝒓𝒂𝒕𝒊𝒗𝒂 𝒎𝒑𝒂𝒎𝒐𝒌𝒂𝒕𝒓𝒂.

Mba hahafahana manana antontan-kevitra marina momba ireo Indostria madinika sy salantsalany (PMI) sy hanamorana ny fampivelarana azy ireny, dia nidina ifotony teny amin’ny « Orinasa Ny S Madagasikara » ao Andraisoro ny ekipan’ny DIRIDSP Antananarivo. Laharam-pahamehana ho an’ny Minisitera tokoa ny fahafantarana ny zava-misy marina iainan’ireo mpamokatra mba hahafahana mitondra vahaolana mifanaraka amin’ny filany.

Nandritra izao fitsidihana izao, naneho ny fisaorana mitafotafo ny Minisitera tarihin’ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina ny mpitantana ny orinasa noho izao fijerena ifotony ny mpamokatra malagasy izao. Nanararaotra izao fotoana izao ihany koa izy ireo nanehoana ny fahavononany sy ny faniriany mafy ny mba hisitraka ny tetikasa ODOF (One District One Factory). Ny fahazoana izany fitaovana izany dia antoka ahafahan’ny orinasa mivelatra haingana kokoa sy hamorona asa maro ho an’ny mponina manodidina.

Ankoatra ny sehatry ny indostria, nisy ihany koa ny fiarahana nifarimbona teo amin’ny DIRIDSP Antananarivo, ny Tetikasa PROFILAIT PLUS (vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola), ary ireo mpiara-miasa ao amin’ny MDB. Natao tany Ambohidronono, Kaominina Ampanefy, Distrikan’ny Atsimondrano ny hetsika.

Izao fiaraha-miasa izao dia nitarika ny fahaterahan’ny Orinasa Kaoperativa TAFARAY. Tsy hijanona amin’ny famokarana sy fanodinana ronono fotsiny ihany ity kaoperativa ity, fa hanitatra ny asa fandraharahany amin’ny famokarana legioma sy vary ihany koa. Mpikambana mpiompy omby gasy sy ombivavy beronono miisa 9 no mandrafitra ny kaoperativa amin izao fotoana izao, ary heverina hamorona asa raikitra vaovao miisa 2 sahady izany ato ho ato.

Ny ezaka tahaka izao dia manaporofo hatrany ny fahavononan’ny Minisitera sy ny rantsa-mangaikany amin’ny fampandrosoana ny famokarana anatiny sy ny fanohanana ny sehatra tsy miankina, izay antoky ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...