GLOBAL QUALITY FORUM 2026|Fanamafisana ny kalitao sy ny toekarena

📍𝘝𝘪𝘦𝘯𝘯𝘦, 4 𝘢𝘶 6 𝘕𝘰𝘷𝘦𝘮𝘣𝘳𝘦 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘭𝘰𝘣𝘢𝘭 𝘘𝘶𝘢𝘭𝘪𝘵𝘺 𝘍𝘰𝘳𝘶𝘮 2026 𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘪𝘧𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘳𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘬𝘢𝘭𝘪𝘵𝘢𝘰 𝘩𝘰 𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢, 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘪𝘷𝘢𝘰 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘰𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘫𝘪𝘧𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘯𝘵𝘰𝘭𝘰 𝘪𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢.
👉Nandritra ny fandraisam-pitenenany, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, dia nanasongadina ny fanamafisana ny kalitao sy ny fanaraha-maso ny dian’ny vokatra eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fanodinana ny vokatra an-dranomasina, mba hanamorana ny fidiran’ny orinasa Malagasy amin’ny tsena sy hampitomboana ny tombombarotra azo avy amin’ny harena an-dranomasina.
✅Ankoatra izany, nihaona tamin’ny ekipan’ny ONUDI ny delegasiona Malagasy, ka nifampidinika momba ny fanatanterahana ny PCP 2026–2030, indrindra ny fampandrosoana ny Faritra ara-toekarena manokana (ZES) sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Andrim-panjakana.
📌Nifantoka tamin’ny fametrahana tetikasa mirindra sy manana vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny toekaren’i Madagasikara ny fifanakalozana.
#MIDSP #ONUDI #QUALITY #INDUSTRIALISATION
