Fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny fandaharanasa ACCELEREO.

𝑨𝒎𝒃𝒐𝒅𝒊𝒗𝒐𝒏𝒂, 20 𝑱𝒐𝒍𝒂𝒚 2026 – 𝑵𝒂𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒐𝒇𝒊𝒔𝒊𝒂𝒍𝒚 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑯𝒐̂𝒕𝒆𝒍 𝑹𝒂𝒅𝒊𝒔𝒔𝒐𝒏 𝑩𝒍𝒖 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒅𝒊𝒗𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒐𝒎𝒃𝒐𝒉𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒅𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂𝒔𝒂 𝑨𝑪𝑪𝑬́𝑳𝑬́𝑹𝑬𝑶. 𝑰𝒕𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒅𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂𝒔𝒂 𝒊𝒕𝒚 𝒅𝒊𝒂 𝒕𝒂𝒇𝒊𝒅𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒕𝒊𝒌𝒂𝒔𝒂 𝑷𝑰𝑪 (𝑷𝒐̂𝒍𝒆𝒔 𝑰𝒏𝒕𝒆́𝒈𝒓𝒆́𝒔 𝒅𝒆 𝑪𝒓𝒐𝒊𝒔𝒔𝒂𝒏𝒄𝒆), 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒗𝒂𝒕𝒔𝒊𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑩𝒂𝒏𝒌𝒚 𝑰𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒎-𝒑𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝒗𝒐𝒍𝒂, 𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒊𝒌𝒆𝒏𝒅𝒓𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒐𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒉𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒆𝒍𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒔𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒊𝒂𝒏𝒌𝒊𝒏𝒂 𝒆𝒕𝒐 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂.

Nanome voninahitra izao lanonana izao ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, Andriamatoa RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina. Nohamafisiny tao anatin’ny lahateniny fa “mamaly ny filàn’ny toekarena malagasy izao fandaharanasa izao ary mifanaraka tsara amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R), izay manome tantsoroka manokana ho an’ireo sehatra laharam-pahamehana napetraky ny Fanjakana.”

👉 Ireo teboka tsara ho fantatra mikasika ny ACCÉLÉREO :

𝗙𝗮𝗵𝗮𝗿𝗲𝘁𝗮𝗻𝘆: 12 volana ny fanohanana.

Sehatra voakasika: Ny fanodinana sakafo (Agribusiness) sy ny haitao ara-kajy mirindra (Digital).

𝗧𝗼𝗺𝗯𝗼𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮: mitentina 50 000 dolara tsirairay no famatsiam-bola ho azon’ny Orinasa voafantina.

𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮: Faritra 9 iasan’ny PIC (Diana, Analanjorofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Andrefana, Analamanga, Atsimo Atsinanana, ary Anosy).

​Nisokatra nanomboka androany 20 Jolay 2026 ary hifarana ny 01 Septambra 2026 ny fisoratana anarana ho an’ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany (PME) maniry hisitraka ity tosika ity. Ao amin’ny tranokala ofisialy www.accelereo.mg no ahafahana misoratra anarana.

​Ny tanjona lehibe amin’izao hetsika izao dia ny hanamorana ny fanohanana ara-bola an’ireo PME, mba hahafahan’izy ireo mamorona asa bebe kokoa sy mampitombo ny fidiram-bolany.

Vous aimerez aussi...