Fitsidihana ny OMAPI : Manamafy ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny fizaka-manana ara-Indostria sy ny Haivao

𝘛𝘰𝘯𝘨𝘢 𝘯𝘪𝘵𝘴𝘪𝘥𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘖𝘧𝘧𝘪𝘤𝘦 𝘔𝘢𝘭𝘨𝘢𝘤𝘩𝘦 𝘥𝘦 𝘭𝘢 𝘗𝘳𝘰𝘱𝘳𝘪𝘦́𝘵𝘦́ 𝘐𝘯𝘥𝘶𝘴𝘵𝘳𝘪𝘦𝘭𝘭𝘦 (𝘖𝘔𝘈𝘗𝘐), 𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘈𝘮𝘣𝘢𝘯𝘪𝘥𝘪𝘢, 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 28 𝘑𝘰𝘭𝘢𝘺 2026, 𝘯𝘺 𝘥𝘦𝘭𝘦𝘨𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘯𝘰𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.

✅ Nandritra izany fitsidihana izany dia nihaona sy nifampidinika tamin-dRamatoa Tale Jeneraly sy ireo tompon’andraikitra ary ireo mpiara-miasa eo anivon’ny OMAPI Andriamatoa Minisitra. Tsiahivina fa eo ambany fiahian’ny MIDSP ny OMAPI, izay misahana ny fisoratana anarana sy ny fiarovana ny fizaka-manana ara-indostria eto Madagasikara.

📌 Nifantoka tamin’ireo laharam-pahamehana maromaro ny dinika, ka anisany:

👉 ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny Organisation Mondiale de la Propriété Intellectuelle (OMPI/WIPO) sy ny fanomanana an’i Madagasikara hiditra bebe kokoa ao anatin’ny tambajotra iraisam-pirenena momba ny fizaka-manana ara-indostria, mba hanamora ny fiarovana sy ny fampiroboroboana ny haivao;

👉 ny fanamafisana ny andraikitry ny OMAPI amin’ny fisoratana anarana sy fiarovana ny marika (marques), ny patanty (brevets) ary ireo zo hafa mifandraika amin’ny fizaka-manana ara-indostria, ho tombontsoan’ireo orinasa, mpamorona ary mpikaroka Malagasy;

👉 ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny UNIPOD, ivon-toerana mampiroborobo ny haivao sy ny famadihana ny vokatry ny fikarohana eny amin’ny oniversite ho vahaolana azo ampiharina, ka ilaina ny fiarovana ara-dalàna ireo vokatra sy zava-baovao aterany;

👉 ny fanafainganana ny fanavaozana nomerika sy ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny asan’ny OMAPI, mifanaraka amin’ny politikam-panjakana momba ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana.

✅ Nandritra ny fihaonana dia nanamafy Ramatoa Tale Jeneralin’ny OMAPI fa vonona izy ireo hiara-hiasa akaiky sy amim-pahavitrihana amin’ny ekipan’ny Minisitera, mba hampiroborobo ny fizaka-manana ara-indostria, hanohana ny haivao ary hanamafy ny fifaninanana ara-toekaren’i Madagasikara.

📌 Ny fiarovana ny haivao sy ny famoronana no iray amin’ireo fototra iorenan’ny indostria matanjaka sy ny sehatra tsy miankina afaka mifaninana, ka mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana maharitra ny firenena ny asan’ny OMAPI.

Vous aimerez aussi...