𝗦𝗮𝗻𝘁𝗶𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗯𝗮𝗿𝗿𝗮𝗴𝗲𝘀 𝘀𝘆 𝗽𝗮𝘁𝗿𝗼𝘂𝗶𝗹𝗹𝗲𝘀 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻’𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼.

Ho fanamafisana ny fandriampahalemana sy hiantohana ny fiarovana ny vahoaka, dia manohy ny hetsika iraisana ataony ny  » TASK FORCE Anti-Enlèvement « , eo ambany fandrindran’ny  » Centre Opérationnel des Forces de Défense et de Sécurité (CO-FDS), ahitana ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ary ny Tafika Malagasy.

Mitohy isak’alina ny barrages sy ny fisafoana eny an-kianja, ho fisorohana sy hiadiana amin’ny asan-jiolahy ary hiantohana ny filaminam-bahoaka.

Eo anilan’ny vahoaka mandrakariva ny Fitondram-panjakana. Ny fiarovana ny ain’ny olom-pirenena sy ny fananany no laharam-pahamehana, ary mitohy tsy an-kijanona ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.

Vous aimerez aussi...