Orinasa SOAVAGRI : Fanamafisana ny fanodinana ny vokatra tantely

𝘛𝘢𝘰𝘭𝘢𝘨𝘯𝘢𝘳𝘰, 08 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘪𝘵𝘴𝘪𝘥𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘚𝘖𝘈𝘝𝘈𝘎𝘙𝘐, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘵𝘢𝘧𝘪𝘥𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘖𝘋𝘖𝘍 (𝘖𝘯𝘦 𝘋𝘪𝘴𝘵𝘳𝘪𝘤𝘵, 𝘖𝘯𝘦 𝘍𝘢𝘤𝘵𝘰𝘳𝘺), 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢, 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘥𝘦𝘭𝘦𝘨𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯𝘺.
Manana tahiry 4 taonina amin’izao fotoana izao ny orinasa ary mikendry ny hahatratra famokarana eo amin’ny 10 taonina isan-taona eo.
Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny famokarana, ny famahana ny olana amin’ny famatsian-drano, ary ny fanatanterahana ireo fankatoavana ara-pahasalamana sy ara-barotra ilain’ny orinasa, ny fifanakalozana teo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Manamafy hatrany ny fanohanana ireo orinasa sy mpamokatra eto an-toerana ny Minisitera, mba hampitomboana ny famokarana sy ny fanodinana ary hampiroboroboana ny vokatra Malagasy.
