Fitokanana ny sekoly MAMPIATY Mahajanga : CEG SEMAMA Antanimalandy

𝘔𝘢𝘩𝘢𝘫𝘢𝘯𝘨𝘢, 11 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘵𝘴𝘪𝘥𝘪𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘥𝘦𝘭𝘦𝘨𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢 𝘯𝘰𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘗𝘳𝘢𝘪𝘮𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘓𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢, 𝘙𝘈𝘑𝘈𝘖𝘕𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘕 𝘔𝘢𝘮𝘪𝘵𝘪𝘢𝘯𝘢, 𝘵𝘢𝘯𝘺 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘫𝘢𝘯𝘨𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘬𝘰𝘭𝘺 𝘔𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘵𝘺 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘣𝘢𝘳𝘢𝘵𝘰𝘯𝘨𝘢 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘳𝘰𝘢. 𝘕𝘢𝘯𝘰𝘵𝘳𝘰𝘯𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘪𝘩𝘢𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘢 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.
Ity fotodrafitrasa vaovao ity dia manome fahafahana ireo mpianatra manana fahasamihafana, ireo manana olana ara-pahitana sy ara-pihainoana, ary ireo ankizy manana toe-tena varira, hanohy fianarana sy hisitraka fanabeazana amin’ny ambaratonga ambony kokoa.
Samy manana ny toerany avokoa ny tanora eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ka tokony omen-danja sy omena fahafahana hanovo fahalalana izy ireo na misy fahasamihafana aza.
Ny tanora no hoavin’ny indostria sy ny sehatra tsy miankina ka tokony hotohanana izy ireo.
