AGOA : Miroso ny dingana, manohy ny ezaka i Madagasikara

𝘕𝘰𝘭𝘢𝘯𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘵𝘦𝘯𝘪𝘮𝘪𝘦𝘳𝘢𝘯-𝘥𝘰𝘩𝘰𝘭𝘰𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢, 𝘯𝘺 𝘻𝘰𝘮𝘢 7 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 𝘭𝘢𝘴𝘢 𝘵𝘦𝘰, 𝘯𝘺 𝘷𝘰𝘭𝘢𝘷𝘰𝘭𝘢𝘯-𝘥𝘢𝘭𝘢̀𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘬𝘦𝘯𝘥𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘯𝘪𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘈𝘧𝘳𝘪𝘤𝘢𝘯 𝘎𝘳𝘰𝘸𝘵𝘩 𝘢𝘯𝘥 𝘖𝘱𝘱𝘰𝘳𝘵𝘶𝘯𝘪𝘵𝘺 𝘈𝘤𝘵 (𝘈𝘎𝘖𝘈) 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 31 𝘥𝘦𝘴𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2028.

Vaovao tsara ho an’ireo firenena misitraka ny AGOA, anisan’izany i Madagasikara, izany dingana izany. Tsy midika anefa izany fa efa nankatoavina ny fanitarana ny fifanarahana hatramin’ny taona 2028 fa dingana iray lehibe ahafahana miroso amin’izany no vita.

Amin’izao fotoana izao, mbola misitraka ny AGOA hatramin’ny 31 desambra 2026 i Madagasikara. Ny fanamby ankehitriny dia ny hahazoana antoka sy fahafahana mijery lavitra mihoatra io fe-potoana io, indrindra fa eo am-pandinihana ny fanavaozana ny rafitra AGOA ihany koa i Etazonia.

Noho izany, ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP) dia manohy hatrany ny ezaka ary manara-maso akaiky ny fizotry ny dingana any Etazonia, ho fiarovana ny tombontsoan’ny seha-pamokarana malagasy.

Vous aimerez aussi...