Ady amin’ny kolikoly : Hamafisina ny mangarahara sy fahitsiana ao Atsimo Andrefana

𝘈𝘵𝘴𝘪𝘮𝘰 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘦𝘧𝘢𝘯𝘢, 21 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘴𝘰𝘳𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘢𝘥𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘭𝘪𝘬𝘰𝘭𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘮𝘰 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘦𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘭𝘦 𝘮𝘪𝘴𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘴𝘪𝘳𝘪𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘈𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯𝘺 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘈𝘥𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘪𝘬𝘰𝘭𝘺 (𝘋𝘈𝘐𝘓𝘈𝘊) 𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘍𝘐𝘕𝘖𝘈𝘕𝘈 𝘊𝘦́𝘥𝘳𝘪𝘤.
Nandritra izany dia nohamafisina tamin’ireo mpiara-mpiasa eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina Atsimo Andrefana ny maha-zava-dehibe ny mangarahara, ny fahitsiana ary ny fahamendrehana eo amin’ny fanatanterahana ny asam-panjakana.
Ho fanehoana izany fanoloran-tena izany, dia nanatanteraka avy hatrany ny fanambaram-pananany (déclaration de patrimoine) Andriamatoa Talem-paritra ao Atsimo Andrefana, JOELISON Mbolatiana Livaharilala.
Ankoatra izay, dia napetraka ihany koa ny » STAC Régionale (Structure Anti-Corruption) « , izay natao hanamafisana hatrany ny ezaka amin’ny fisorohana sy ny ady amin’ny kolikoly eny anivon’ny fitantanan-draharaha.
» MIDSP : Mijoro amin’ny mangarahara, ny fahitsiana ary ny fitantanana madio. «
