Fanolorana vatsy sy fitaovana ho an’ireo solotenan’ny MIDSP amin’ny lalao ASIEF

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 21 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘵𝘰𝘭𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘰 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘷𝘢𝘵𝘴𝘺 𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘵𝘢𝘰𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘴𝘰𝘭𝘰𝘵𝘦𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘩𝘪𝘢𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘭𝘢𝘰 𝘈𝘚𝘐𝘌𝘍, 𝘩𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘺 𝘔𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘯𝘺 23 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘬𝘢 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 5 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026.
Andriamatoa Sekretera Jeneraly, TATAMIARISOA Manankoraisina Landry, sy Ramatoa Talen’ny Kabinetra, TIDAHY Chantal, no nanatanteraka ny fanolorana ireo vatsy sy fitaovana ireo, tamin’ny anaran’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
Natolotra tamin’izany ny maillots ho an’ny taranja basikety sy baolina kitra, ny baolina, ny survêtements, ary sakafo isan-karazany, izay vokatry ny fanohanana avy amin’ny Ministera sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ireo tsara sitrapo.
Ny fanatanjahantena dia mikolokolo ny fahasalamana, manamafy ny firaisankina ary mampivelatra ny fifandraisana eo amin’ny mpiara-miasa.
Mirary fahombiazana feno sy fandresena ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Minisitera.
