MIDSP – Banky Iraisam-pirenena | Fanamafisana ny fiaraha-miasa

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 24 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘴𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘦𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘉𝘢𝘯𝘬𝘺 𝘐𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (MIDSP), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.
Natao nandritra izany ny fandrindrana ireo asa hiarahana manatanteraka ao anatin’ny Tetikasa Pôles Intégrés de Croissance (PIC), ary indrindra ny fampifanarahana azy ireo amin’ireo laharam-pahamehan’ny MIDSP.
Nifantoka tamin’ny fanohanana ny indostria malagasy, ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola tsy miankina ary ny fanamafisana ny anjara toeran’ny sehatra tsy miankina eo amin’ny toekarena ny fifanakalozan-kevitra.
Nohamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny MIDSP sy ny Banky Iraisam-pirenena, mba hahafahan’ireo tetikasa sy fanohanana tanterahina mitondra vokatra mivaingana ho an’ny sehatra mpamokatra, ny orinasa ary ny famoronana asa eto Madagasikara.
