PNRDC | Mitohy any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ny fanisana ireo Orinasa Kaoperativa

14 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘈𝘯𝘢𝘭𝘢𝘯𝘫𝘪𝘳𝘰𝘧𝘰 𝘪𝘩𝘢𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘰𝘨𝘳𝘢𝘮𝘢 𝘕𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘙𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘕𝘰𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘒𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 (𝘗𝘕𝘙𝘋𝘊).

📌Tao Toamasina, dia nisy ny atrikasa fanombohana ny hetsika, izay nahafahana nampahafantatra ihany koa tamin’ireo orinasa kaoperativa ny lalàna 2023-016 sy ireo didim-panjakana fampiharana azy. Orinasa kaoperativa 400 no kendrena ho voaisa mandritra ity herinandro ity.

📌Tao Fenoarivo Atsinanana kosa, dia natomboka tao amin’ny CCI Analanjirofo ny hetsika, ka orinasa kaoperativa 29 no efa voarakitra tamin’ny andro voalohany.

✅Tanjona lehibe amin’ny PNRDC ny hahazoana antontan-kevitra azo antoka sy voamarina momba ireo kaoperativa. Ny fanisana dia hanampy amin’ny famantarana mazava ny filàna sy ny olana sedrain’ireo orinasa kaoperativa, mba hahafahana mamolavola fanohanana mifanaraka amin’ny zava-misy, toy ny fanofanana, ny fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola, ny fanatsarana ny fitantanana ary ny fampifandraisana azy ireo amin’ireo tsena sy mpiara-miombon’antoka.

✅Ny PNRDC dia Programan’ny Fanjakana Malagasy, tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ary tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R), izay manome lanja ny famoronana asa sy ny fanohanana ireo sehatra mamokatra, indrindra ireo kaoperativa.

Tohanan’ny PNUD ara-bola ny fanatanterahana ity programa ity.

Vous aimerez aussi...