PGE-R : Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo Mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola

𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰, 23 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘕𝘰𝘷𝘰𝘵𝘦𝘭 𝘊𝘰𝘯𝘷𝘦𝘯𝘵𝘪𝘰𝘯 & 𝘚𝘱𝘢, 𝘈𝘭𝘢𝘳𝘰𝘣𝘪𝘢, 𝘯𝘺 𝘢𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘭𝘰𝘻𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘔𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯’𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘢 𝘈𝘳𝘢-𝘛𝘦𝘬𝘯𝘪𝘬𝘢 𝘴𝘺 𝘈𝘳𝘢-𝘉𝘰𝘭𝘢 (𝘗𝘛𝘍) 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘬𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢, 𝘯𝘰𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘢𝘪𝘮𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢, 𝘓𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢, 𝘙𝘈𝘑𝘈𝘖𝘕𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘕 𝘔𝘢𝘮𝘪𝘵𝘪𝘢𝘯𝘢.

📌Nifantoka tamin’ny fanazavana ny PGE-R sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana ny fihaonana. Nasongadina ireo laharam-pahamehana stratejika folo entin’ny Fanjakana amin’izao Fanavaozana izao, anisan’izany ny rano sy angovo, fampihenana ny vidim-piainana, famoronana asa maharitra, fambolena, fotodrafitrasa, fanarenana ny toekarena, ary ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanamafisana ny mangarahara.

✅Nohamafisina ihany koa ny ezaka hanafainganana ny fampiasam-bola sy ny fanatanterahana ireo tetikasa, amin’ny alalan’ny fanesorana ireo sakana ara-pitantanana sy ara-pitsipika.

✅Nandritra izany, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, dia nanamafy ny fanohanana sy ny fifampiresahan’ny Fanjakana amin’ny Sehatra tsy Miankina, indrindra amin’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola sy ny famoronana asa maharitra.

📌Tanjona ny hanamafisana ny fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola, ary hahatonga ny fampiasam-bola tena hitondra vokatra mivaingana ho an’ny vahoaka.

Vous aimerez aussi...