Fanohanana ny sehatra tsy miankina : Fanamafisanan ny fahaiza-manaon’ny Kaoperativa Fanamby

𝘈𝘯𝘥𝘳𝘢𝘯𝘰𝘣𝘦, 𝘊𝘙 𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘦𝘵𝘪𝘬𝘦𝘭𝘺, 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘮𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘯𝘰 | 29–30 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026
Manohana ny fampandrosoana ny orinasa kaoperativa ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) tarihin’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, amin’ny alalan’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) Antananarivo. Niara-niasa tamin’ny Tetik’asa PROFILAIT PLUS sy ny MDB ny ekipa, nanatanteraka fiofanana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Kaoperativa FANAMBY izay misehatra amin’ny famokarana ronono amin’ny alalan’ny fiompiana omby gasy sy omby vavy be ronono.
Nifantoka tamin’ny fanitsiana ny fitsipika anatiny, ny kolontsaim-pandraharahana ary ny fitantanana ny fiofanana.
MIDSP : manohana ny fandraharahana sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara.
