Fanantanterahana ny tetibola : loabary an-dasy notarihin’ny Praiminisitra

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 07 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘭𝘰𝘢𝘣𝘢𝘳𝘺 𝘢𝘯-𝘥𝘢𝘴𝘺 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘣𝘰𝘭𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢, 𝘯𝘰𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘢𝘪𝘮𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢, 𝘓𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢, 𝘙𝘈𝘑𝘈𝘖𝘕𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘕 𝘔𝘢𝘮𝘪𝘵𝘪𝘢𝘯𝘢. 𝘕𝘢𝘯𝘢𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘪𝘩𝘢𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘢 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢, 𝘴𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘬𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘢𝘴𝘢𝘯𝘵𝘴𝘢𝘴𝘢𝘯𝘺 𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢.
✅Nifantoka tamin’ny fanaovana tombana ny fanatanterahana ny tetibola sy ny famantarana ireo sakana mahatara ny fampiasam-bolam-panjakana ny loabary an-dasy, ka nitadiavana vahaolana ahafahana manafaingana ny fanatanterahana izany.
✅Nohamafisin’ny Praiminisitra fa tokony hojerena sy vahana haingana ireo sakana rehetra, mba hahatrarana ho 100% ny tahan’ny fanatanterahana ny tetibola.
📌Ny tanjona dia ny hampiasana ara-potoana sy amin’ny fomba mahomby ny volam-panjakana, mba hahatonga ny fampiasam-bola hitondra vokatra mivaingana ho fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy.
