Diplaomasia ara-toekarena : Madagasikara manosika ny fanodinana ny harena an-kibon’ny tany ho fampandrosoana ny indostria

𝘋𝘰𝘩𝘢, 𝘘𝘢𝘵𝘢𝘳, 25 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘥𝘪𝘩𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘷𝘰 𝘭𝘦𝘯𝘵𝘢 𝘮𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘰𝘩𝘢𝘵𝘦𝘯𝘺 𝘩𝘰𝘦 « 𝘍𝘳𝘰𝘮 𝘊𝘳𝘪𝘵𝘪𝘤𝘢𝘭 𝘔𝘪𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘴 𝘵𝘰 𝘝𝘢𝘭𝘶𝘦: 𝘔𝘰𝘣𝘪𝘭𝘪𝘻𝘪𝘯𝘨 𝘐𝘯𝘷𝘦𝘴𝘵𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘧𝘰𝘳 𝘌𝘤𝘰𝘯𝘰𝘮𝘪𝘤 𝘛𝘳𝘢𝘯𝘴𝘧𝘰𝘳𝘮𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 » 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢, 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-9 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘞𝘰𝘳𝘭𝘥 𝘐𝘯𝘷𝘦𝘴𝘵𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘍𝘰𝘳𝘶𝘮 2026.
Nifantoka tamin’ny fisarihana ny fampiasam-bola iraisam-pirenena, ny fanodinana ny harena an-kibon’ny tany eto an-toerana ary ny fampitomboana ny sanda ara-toekarena aterak’izany ny adihevitra. Nohamafisina ihany koa ny anjara andraikitry ny Fanjakana sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpampiasa vola amin’ny fampivelarana ny indostria sy ny famoronana asa.
Ho an’i Madagasikara, ity fihaonambe ity dia fahafahana misarika fampiasam-bola, mikaroka fiaraha-miasa vaovao ary mampiroborobo ny indostria eto an-toerana. Tanjona ny hampitombo ny tombontsoa azo avy amin’ny harena ananan’ny firenena, amin’ny alalan’ny fanodinana azy eto an-toerana sy ny famoronana sanda fanampiny ho an’ny toekarena Malagasy.
