Madagasikara tany amin’ny WIF 2026 : Fanamafisana ny fitokisana hisarihana ny fampiasam-bola

Nandray anjara tamin’ny World Investment Forum (WIF) 2026, izay natao tany Doha, i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny delegasiona notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, ary ny Mpandrindra maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, Anthony NGORORANO.
Fotoana izao hanehoana ny tanjaka sy ny tombontsoa ananan’i Madagasikara, hanamafisana ny fitokisan’ireo mpampiasa vola iraisam-pirenena, ary hampivelarana fiaraha-miasa vaovao ho fampiroboroboana ny indostria, ny angovo, ny fotodrafitrasa ary ny famoronana asa.
Ny fiaraha-miasan’ny Governemanta sy ny rafitry ny Firenena Mikambana dia maneho ny finiavana iraisana hampiroborobo ny fampiasam-bola maharitra, mirindra ary mamorona tombontsoa ara-toekarena, ho fanafainganana ny fanovana sy ny fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara.
