Pôles Intégrés de Croissance (PIC3) :
𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗧𝗢𝗔𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗗𝗥𝗔𝗙𝗜𝗧𝗥𝗔𝗦𝗔 𝗦𝗬 𝗧𝗘𝗧𝗜𝗕𝗢𝗟𝗔 𝗜𝗦𝗔𝗡-𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 (𝗣𝗧𝗕𝗔) 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟳, 𝗧𝗔𝗧𝗜𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟲

𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘳𝘦𝘯𝘪𝘯𝘢, 23 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘬𝘢𝘵𝘰𝘢𝘷𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘮𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘮𝘪𝘵𝘺 𝘕𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘗𝘐𝘊3, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘮𝘢𝘳𝘰, 𝘯𝘺 𝘥𝘳𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢𝘴𝘢 𝘴𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘪𝘴𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢 (𝘗𝘛𝘉𝘈 2027) 𝘬𝘢 𝘩𝘢𝘵𝘰𝘭𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘉𝘢𝘯𝘬𝘺 𝘐𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 30 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 𝘩𝘰 𝘢𝘷𝘺 𝘪𝘻𝘢𝘰.
Anisan’ireo nanatrika ny fivoriana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina. Nohamafisiny fa tetikasan’ny Fitondram-panjakana Malagasy ny PIC3, ary tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena ara-bola.
Ny Tetikasa Pôles Intégrés de Croissance – Projet de Transformation Économique pour une Croissance Inclusive (PIC3), dia mikendry ny hanafaingana ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara, amin’ny fanentanana ny fampiasam-bola tsy miankina, ny fitomboan’ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) ary ny fandraharahana any amin’ireo sehatra sy faritra laharam-pahamehana. Ny tanjona dia ny hampiroborobo ny famoronana asa sy hanampy amin’ny fampihenana ny fahantrana.
