Voin-kava-mahatratra

𝗡𝗮𝗺𝗮𝗹𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼 𝗮𝘃𝗼 𝗻𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗚𝗼𝘃𝗲𝗿𝗻𝗲𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮, 𝘁𝗮𝗿𝗶𝗵𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗣𝗿𝗮𝗶𝗺𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗟𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝗚𝗼𝘃𝗲𝗿𝗻𝗲𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮, 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗸𝗶𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗲𝗵𝗼 𝗳𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻-𝗸𝗶𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼-𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘃𝗼𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗮̀𝗻𝗮𝗻’𝗶 𝗧𝗼𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗮𝗹𝗼𝘃𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗿𝗶𝘃𝗼-𝗱𝗼𝘇𝗮 𝗚𝗲𝘇𝗮𝗻𝗶.

✅ Tanjon’ny fihaonana tetsy amin’ny trano fivorian’ny MAE Anosy ny hanamafisana ny fiaraha-mientan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny famonjena aina sy fanohanana ireo olom-pirenena traboina any Toamasina.

📌 Araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RASOARAHONA Andriniaina, dia vonjy aina sy fanohanana ny mpiara-belona no hifanomezan-tanana. Mikendry indrindra ny hanentana ny sehatra tsy miankina ity fihaonana ity hoy ny tenenay. Ary tanjona napetraka ny hananana fahafahana hitrakàna sy hirosooana miaraka amin’ny alalan’ny fifanampiana.

📌 « Tondro-tokana tsy mahazo hao ary hazo tokana tsy mba ala », hoy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARIVELO Herintsalamana nanentana hatrany ny sehatra tsy miankina.

Anisan’ireo vondron’ny sehatra tsy miankina namaly ny antso ny Vondron’ny Orinasa eto

Madagasikara (GEM), ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM), ny Fikambanan’ny Orinasa Malagasy (FOM), ny Vondron’ny Orinasa afaka Haba sy mpiara-miasa (GEFP), ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy (FIVMPAMA), ny Vondron’ny orinasa misehatra amin’ny nomerika (GOTICOM), ny Jeune Patronat de Madagascar (JPM) ary ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GEFM). Efa nisy moa ny fandraisana andraikitra nataon’ny Sehatra tsy miankina toy ny fametrahan’ ny GOTICOM vovonana « Ensemble pour Madagascar » natao hanarahana ireo tolo-tanana ao anaty mangarahara tanteraka.

✅ Marihana fa ny mandrindra ny tolo-tanana avy amin’ireo vondron’ny sehatra tsy miankina ny MIDSP ary mandrindra ny fandefasana izany any Toamasina kosa ny BNGRC.

Vous aimerez aussi...