Dinika ho fanaingana ny toekarena

Nifarana ny dinika hanomboka ny asa

📌 𝘊𝘊𝘐, 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰-𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰, 𝘧𝘢𝘩𝘢 10 𝘔𝘢𝘳𝘵𝘴𝘢 2026 𝘔𝘪𝘪𝘴𝘢 35 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘱𝘢𝘪𝘬𝘢𝘥𝘺 𝘴𝘺 𝘧𝘦𝘱𝘦𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯𝘯𝘺 𝘥𝘳𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢.

✅ Nanamarika ny famaranana ny Dinika ho fanaingana ny Toekarena androany ny fanolorana ireo vokatry ny fifanakalozan-kevitra nisy teo aminny Fanjakana sy ny Sehatra tsy Miankina.

✅ Miisa 35 ireo paikady sy fepetra notsongaina sy nifanarahana fa atao ao anatinny drafitra. Telo ny tanjonireo paikady ireo hoy ny Sekretera Jeneralinny Ministera Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP) RAZAFIMAHAFALY Séraphin raha nandray fitenenana ny tenany : ny vitrim-pamokarana, fahavononana miatrika ny fifaninanana ary ny famoronana asa.

✅ Ny solotenanny Sehatra Tsy Miankina taminny alalanny filohan’ny Sendikanireo Indostria Malagasy (SIM) RASAMIMANANA Tiana moa dia nilaza fa fotoana izao handrosoana amin’ny tena izy ka ny fanatanterahana izay tapaka no zava-dehibe.

✅ Toy izao ny teti-andro mialohanny fanaovan-tsonia farany eo aminny Fanjakana sy ny Sehatra Tsy Miankina entina hanantanterahana ireo asa rehetra ho Fanaingana ny Toekarena:

👉 12 Martsa : Fanoratana ny Drafitra Fanaingana

👉 16 Martsa : Fanolorana ny fanadihadiana vidiny sy tombony

👉 30 Martsa : Fanekena hisehatra sy fanaovan-tsonia

Vous aimerez aussi...