Madagascar / SNU

𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗞𝗢𝗠𝗜𝗧𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗢𝗟𝗢𝗧𝗦𝗔𝗜𝗡𝗔 𝗜𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗡𝗬 𝗗𝗥𝗔𝗙𝗜-𝗣𝗔𝗡𝗔𝗧𝗘𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔-𝗠𝗜𝗔𝗦𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗞𝗔𝗠𝗕𝗔𝗡𝗔 (𝗨𝗡𝗦𝗗𝗖𝗙 𝟮𝟬𝟮𝟰-𝟮𝟬𝟮𝟴)
𝗡𝗼𝘃𝗼𝘁𝗲𝗹 – 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼, 𝗳𝗮𝗵𝗮 𝟭𝟮 𝗺𝗮𝗿𝘀 𝟮𝟬𝟮𝟲 – 𝘛𝘰𝘯𝘵𝘰𝘴𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘮𝘪𝘵𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘰𝘭𝘰𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 (𝘊𝘰𝘮𝘪𝘵𝘦́ 𝘥𝘦 𝘗𝘪𝘭𝘰𝘵𝘢𝘨𝘦 𝘊𝘰𝘯𝘫𝘰𝘪𝘯𝘵) 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘥𝘳𝘢𝘧𝘪-𝘱𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘩𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 (𝘜𝘕𝘚𝘋𝘊𝘍 2024-2028) 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘳𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘔𝘪𝘬𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘢 (𝘚𝘕𝘜).
Ity rafitra ity moa izay iarahanana ministera vitsivitsy toy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), ireo vondrona ao anatin’ny firenena mikambana, ireo mpiaramiombon’antoka iraisam-pirenena, ireo fiaraha-monim-pirenena ary ireo avy ao amin’ny sehatra tsy miankina.
Ny fihaonana dia nanamafy ny fiaraha-miasa misy eo amin’i Madagasikara sy ny vondron’ny firenena mikambana. Nanamafy ihany koa ny fahavononan’ny roa tonta hiara-mientana amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana amin’ny fanavaozana (PGE-R).
Raha natao ny jery todika tamin’ireo zava-bita niarahan’ny vondron’ny firenena mikambana sy ireo mpiara-miombon’antoka nandritry ny taona 2025 ka teo amin’ny resaka fandraharahana manokana dia nisy ny fanampiana orinasa maro.
Ny fihaonana dia nahafahana ihany koa nanipika ireo tondro zotra stratejika 2026. Tondro zotra izay hitarika ny hetsik’ireo vondrona 20 ao anatin’ny firenena mikambana sy ireo mpiara-miombon’antoka 80 hanatanteraka ireo asa. Raha nanontaniana moa ny Sekretera Jeneralin’ny MIDSP, RAZAFIMAHAFALY Séraphin dia nanambara izy fa ao anatin’ireo tondro zotra stratejika 2026 ireo dia hisy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina izay hitondra any amin’ny famoronana orinasa sy asa.
