Ehoala Park : manokatra làlana vaovao ho an’ny fampandrosoana

Ny zoma lasa teo, nahafaly anay ny nandray ny Minisitry ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina sy ny ekipany, tao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala sy ny Ehoala Park.
Fitsidihana nisongadinan’ny fifanakalozan-kevitra momba ireo sehatra azo iaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana ny Ehoala Park ary ireo fanararaotra atolony.
Ny 𝐄𝐡𝐨𝐚𝐥𝐚 𝐏𝐚𝐫𝐤 dia faritra mirefy 𝟒𝟒𝟎 𝐡𝐞𝐤𝐭𝐚𝐫𝐚, eo akaikin’ny 𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐭𝐬𝐚𝐦𝐛𝐨𝐧’𝐢 𝐄𝐡𝐨𝐚𝐥𝐚. Izy io dia toerana azon’ireo mpampiasa vola ampiasaina amin’ny alalan’ny fifanekena fampiasana tany, ahafahana manatanteraka karazana asa isan-karazany, toy ny indostria, varotra, lojistika, fizahantany, sns.
Mankasitraka azy ireo tamin’ny fahatongavany sy ny fahatsaràn’ny fifanakalozana, izay manamafy ny fahavononana iombonana ho amin’ny fampandrosoana lovainjafy.
