CEO Summit Indian Ocean/MIDSP/Tanora-Vehivavy-Mpila ravinahitra

𝘕𝘰𝘷𝘰𝘵𝘦𝘭, 𝘧𝘢𝘩𝘢 10 𝘢𝘱𝘳𝘪𝘭𝘺 – 𝘕𝘪𝘴𝘺 𝘰𝘮𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘭𝘰𝘻𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘪𝘰𝘮𝘱𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘭𝘰𝘩𝘢𝘩𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰𝘦: 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢, 𝘯𝘺 𝘷𝘦𝘩𝘪𝘷𝘢𝘷𝘺 𝘴𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘔𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘭𝘢 𝘳𝘢𝘷𝘪𝘯𝘢𝘩𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘯𝘺 𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘯𝘺 (𝘋𝘪𝘢𝘴𝘱𝘰𝘳𝘢), 𝘩𝘦𝘳𝘺 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘷𝘰𝘢𝘵𝘳𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘩𝘰 𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢.
Nandray anjara omaly tamin’ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny tanora, ny vehivavy sy ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany (Diaspora) mba ho hery fampandrosoana androany ny Talen’ny fampiroboroboana ny fandraharahana (DPE) eto anivon’ny MIDSP, FALIARIVONY Liliane Kezia. “Ny minisitera dia mametraka ny tokotany ilalaovana fa ny tanora sy ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara no tena hamelon’aina sy hitondra ary hampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana, hoy izy.
Nilaza izy fa vonona hanome tantsoroka ny tanora sy ny vehivavy mpandraharaha ny MIDSP amin’ny alalan’ny Fitaleavana fampiroboroboana ny fandraharahana.
