Alakamisin’ny fandraharahana

𝙎𝙤𝙖𝙧𝙖𝙣𝙤, 𝙛𝙖𝙝𝙖 16 𝙖𝙥𝙧𝙞𝙡𝙮 2026 – 𝘍𝘢𝘮𝘦𝘭𝘢𝘣𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘬𝘢𝘭𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘷𝘢𝘰 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢.

📌« Ahoana no ahitana ny mpanjifa voalohany sy hampandrosoana ny fandraharahany? », io no lohahevitra novelabelarina nandritra ity hetsika nokarakarain’ny Orange Digital Center (ODC) sy ny Maison De l’Entrepreneuriat (MDE) ity androany.

✅Anisany tanjona tamin’ity hetsika ity ny hanohanana sy hanampiana ireo mpandraharaha vao misandratra, izay mifanandrify indrindra amin’ny politikan’ny fampiroboroboana ny fandraharahana eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP).

Tonga nanatrika ny famelabelaran-kevitra tetsy amin’ny Gara Soarano moa ny Tale misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana (DPE) eto anivon’ny MIDSP, FALIARIVONY Liliane Kezia.

Vous aimerez aussi...