FID – Fonds d’Intervention pour le Développement

📢 ANTSO HO ANTSIKA TANORA VEHIVAVY 18 HATRAMIN’NY 35 TAONA !

👉 Efa vonona hiditra amin’ny tontolon’ny asa ve ianao ?

Mitohy ny fisoratana anarana amin’ny fandaharanasa EAGER.

Inona no tombony ho azonao?

✅ Fiofanana sy fampitomboana traikefa.

✅ Fianarana asa (Stage) any anivon’ny orinasa.

✅ Tantsoroka amin’ny fitadiavana asa na fanombohana fihariana.

👉 MISORATA ANARANA – Safidy roa:

✅ Ampitain-davitra (En ligne): amin’ny alalan’ny QR code na manindry ity rohy ity: 🔗https://bit.ly/4sxeoRg

✅ Eny an-toerana: Manantona ny biraon’ny FID na ireo toerana voatokana hita amin’ny sary.

🗓️ FE-POTOANA FARANY : HATRAMIN’NY 31 MAY 2026.

👉Fanamarihana: Toamasina sy Fenerive-Est: Manomboka ny 04 May ny fisoratana anarana eny an-toerana

⚠️ Maimaimpoana ny fisoratana anarana sy ny dingana rehetra.

Hisy ny fifantenana ireo vehivavy ho tohanan’ny tetikasa, araka ny fepetra napetraka.

Te hahafantatra bebe kokoa momban’ny EAGER? Tsidio ny: https://bit.ly/4cAoQ5e

—-

EAGER | Tetikasan’ny Governemanta malagasy, arindran’ny @Minisiteran’ny fanabeazana, vatsian’ny @Banky iraisam-pirenena ary tanterahin’ny @FID

Vous aimerez aussi...