Fivoriana ara-potoana voalohany

𝙏𝙨𝙞𝙢𝙗𝙖𝙯𝙖𝙯𝙖, 𝙛𝙖𝙝𝙖-05 𝙈𝙚𝙮 2026 – « 𝘛𝘴𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘻𝘰 𝘵𝘴𝘺 𝘩𝘢𝘩𝘰𝘮𝘣𝘺 𝘴𝘺 𝘩𝘢𝘮𝘪𝘵𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘷𝘢𝘩𝘰𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢 », 𝘩𝘰𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘵𝘦𝘯𝘪𝘮𝘪𝘦𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢, 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘈𝘚𝘖𝘓𝘖𝘕𝘐𝘈𝘒𝘖 𝘚𝘪𝘵𝘦𝘯𝘺 𝘛𝘩𝘪𝘦𝘳𝘺, 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘵𝘦𝘯𝘪𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘱𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘷𝘰𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯𝘺, 𝘵𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘓𝘢𝘱𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘵𝘦𝘯𝘪𝘮𝘪𝘦𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢, 𝘛𝘴𝘪𝘮𝘣𝘢𝘻𝘢𝘻𝘢.
Natomboka tamin’ny fampahafantarana ireo solombavambahoaka vao notendrena araka ny Lalàmpanorenana ny fotoana.
Mandritra ity fivoriana ity dia hotanterahina ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bola nasiam-panitsiana (PLFR) 2026, ny fandinihana sy fandaniana ireo volavolan-dalàna samihafa, ary ny fanolorana ataon’ny Governemanta ny tatitra mikasika ny fanatanterahana ny fandaharan’asany.
Hisy ihany koa ny fanazavana entin’ny Minisitra tsirairay manoloana ireo fanontaniana apetraky ny solombavambahoaka.
Maro ireo asa notanisain’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena miandry amin’izao vanim-potoanan’ny fanavaozana izao. Anisan’izany ny fanarenana ireo orinasa lehibe stratejika izay tokony ho andry ara-toekarena, ka tafiditra ao anatin’izany ny SECREN.
Nanatrika ity lanonam-panokafana ity ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
