Vondron’ny Firenena Mikambana (ONU) – MIDSP

𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝗳𝗲𝗻𝗼 𝗻𝘆 𝗩𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗠𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗼𝗵𝗶𝘇𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮

📍 𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 𝙛𝙖𝙝𝙖-20 𝙢𝙚𝙮 2026 – 𝘙𝘦𝘴𝘺 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘝𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘔𝘪𝘬𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘢 (𝘖𝘕𝘜) 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘬𝘢𝘪𝘬𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘩𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘩𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢, 𝘢𝘳𝘺 𝘬𝘰𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘮𝘪𝘷𝘢𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘳𝘢𝘪𝘬𝘦𝘧𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢.

✅ Ny Mpandrindra Maharitry ny Rafitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, Anthony NGORORANO, dia nanao fitsidihana tamim-panajana ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina tao Anosy. Ny dinika dia nifantoka tamin’ny fitohizana sy ny fampaharitana ireo asa tanterahin’ny roa tonta ho fampiroboroboana ny toekaren’i Madagasikara. Manohy sy mitazona feno ny fanohanany sy ny fahavononany amin’ny fanatontosana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R) ny Vondron’ny Firenena Mikambana.

📌 Notsindrian’ny Mpandrindra Anthony NGORORANO fa zava-dehibe ny miara-mandalina ireo fahafaha-manao sy ireo fanamby hatrehina mba hisian’ny rindra tanteraka amin’ireo hetsika fampandrosoana tanterahina. Nambarany ihany koa fa amin’ny maha andrin’ny fampandrosoana ara-toekarena an’i Madagasikara ny MIDSP, dia ilaina ny manome lanja ny otrikarena maha-olona eo anivon’ny Minisitera, amin’ny alalan’ny fifanakalozana sy ny famindrana traikefa.

✅ Notsindrian’Andriamatoa Minisitra fa laharam-pahamehana ambony indrindra ny fiantohana ny filaminan’ireo fampiasam-bola eto Madagasikara. Izany indrindra dia voamarika tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia ny Fandaharanasa ho an’ny Fiaraha-miombon’antoka amin’ny Firenena (PCP) miaraka amin’ny ONUDI, izay kasaina hatomboka amin’ny volana jolay ho avy izao. Ankoatra izany, ny fanodinana ny akora eto an-toerana sy ny fampivoarana ny tanora malagasy dia isan’ireo rantsana stratejika fototra amin’ny fampandrosoana apetraky ny MIDSP.

Vous aimerez aussi...