Tafatafa niarahan’ny Filohan’ny Fanavaozana Kolonely Randrianirina Michaël – 31 MAY 2026

𝗡𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻𝘆, 𝗻𝘆 𝗔𝗹𝗮𝗵𝗮𝗱𝘆 𝟯𝟭 𝗺𝗮𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲, 𝗱𝗶𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗮𝘀𝗼𝗻𝗴𝗮𝗱𝗶𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗹𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗵𝗮𝗺𝗲𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗲𝗼 @ 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗶𝗻𝗱𝗼𝘀𝘁𝗿𝗶𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗸𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗥𝗲𝗽𝗼𝗯𝗹𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮, 𝗞𝗼𝗹𝗼𝗻𝗲𝗹𝘆 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗜𝗥𝗜𝗡𝗔 𝗠𝗶𝗰𝗵𝗮𝗲̈𝗹.

✅Anisan’ireo fepetra andrasana ny fampihenana ny  » droit d’accise » amin’ny labiera ao anatin’ny Lalàna mifehy ny Tetibola nasiam-panitsiana (LFR) ho avy. Ity fanapahan-kevitra ity dia natao hanomezana aina ny indostria eto an-toerana, hanamafisana ny tsena ary hampitombo ny fidiram-bolan’ireo mpamokatra akora fototra. Tombanana ho mpamboly orge miisa 10 000 eo ho eo no hisitraka mivantana ny vokatr’izany.

✅Nohamafisin’ny Filohan’ny Fanavaozana ihany koa fa ny tanjon’ny Fitondram-panjakana dia ny hitazonana ireo tanora manam-pahaizana eto Madagasikara mba hiasa sy hamorona asa ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.

✅Mikasika ny fampiasam-bola vahiny kosa, dia nambarany fa ilaina ny fisarihana ireo mpampiasa vola fa kosa mila manaja ny tontolo iainana, mamorona asa mendrika ho an’ny tanora ary mahay miara-miasa amin’ny mponina eny ifotony. Izany no antoka hahatonga ny fampiasam-bola ho tena mahasoa ny firenena sy ny vahoaka Malagasy.

Vous aimerez aussi...