Tetikasa « Izaho tokana »

𝗠𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝟯𝟬𝟬 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗜𝗻𝗱𝗼𝘀𝘁𝗿𝗶𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝘃𝗲𝗹𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗠𝗶𝗮𝗻𝗸𝗶𝗻𝗮 (𝗠𝗜𝗗𝗦𝗣) 𝗻𝗼 𝘃𝗶𝗻𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘀𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗯𝗶𝗼𝗺𝗲𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮

📍𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 02 𝙟𝙤𝙣𝙖 2026 – 𝘋𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘺 𝘮𝘪𝘳𝘢𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘩𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘴𝘪𝘯𝘨𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘰𝘭𝘰𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘵𝘴𝘪𝘳𝘢𝘪𝘳𝘢𝘺 (𝘴𝘢𝘳𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘦𝘯𝘥𝘳𝘪𝘬𝘢, 𝘢𝘵𝘪𝘮𝘢𝘴𝘰, 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘳𝘢𝘯𝘵𝘴𝘢𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢) 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘴𝘰𝘳𝘢𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘣𝘪𝘰𝘮𝘦𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢.

📌Nisolotena ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, nandritra ny fandalovan’ny mpikarakara ny hetsika « Izaho Tokana » teto anivon’ny Minisitera ny Talen’ny Kabinetra, TIDAHY Chantal sady nanokatra ny fisoratana anarana biometrika teto Anosy. Entina hanamaivanana ny mpiara-miasa sy hitohizan’ireo asam-panjakana hiantsorohan’ny tsirairay avy moa no nahatonga ireo mpikarakara manatona ny toeram-piasana toy izao.

Manome tombontsoa ho an’ny olom-pirenena sy ny firenena izany fisoratana anarana biometrika izany :

👉Fahazoana laharana tokana sy fiarovana

👉Fisoratana amin’ny fifidianana madio

👉Fanamorana ny asa sy tolotra

👉Fampandrosoana ara-tsosialy

✅Miara-miasalahy amin’ireo mpikarakara ny hetsika « Izaho Tokana » izay tetikasan’ny Governemanta ihany koa ny MIDSP, araka ny nambaran’ny Tale misahana ny Otrikarena Mahaolona (DRH), MALALAHARINIVO Norofidy Juliana.

📌Haharitra roa andro ny hetsika fisoratana anarana biometrika ho an’ny mpiara-miasa eto amin’ny MIDSP.

Vous aimerez aussi...