PII(๐—ฃ๐—ฎ๐—ฟ๐˜๐—ฒ๐—ป๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ๐˜๐˜€ ๐—ถ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ฐ๐˜ ๐—ฒ๐˜ ๐—ถ๐—ป๐—ป๐—ผ๐˜ƒ๐—ฎ๐˜๐—ถ๐—ผ๐—ป ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฒ๐—ฐ ๐—น๐—ฒ ๐˜€๐—ฒ๐—ฐ๐˜๐—ฒ๐˜‚๐—ฟ ๐—ฝ๐—ฟ๐—ถ๐˜ƒ๐—ฒฬ ๐—ฎฬ€ ๐— ๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—ด๐—ฎ๐˜€๐—ฐ๐—ฎ๐—ฟ)-FPIE(๐—™๐—ฎ๐—ฐ๐—ถ๐—น๐—ถ๐˜๐—ฎ๐˜๐—ถ๐—ผ๐—ป ๐—ฑ๐—ฒ๐˜€ ๐—ฝ๐—ฟ๐—ผ๐—ฐ๐—ฒฬ๐—ฑ๐˜‚๐—ฟ๐—ฒ๐˜€ ๐—ฑ’๐—ถ๐—บ๐—ฝ๐—ผ๐—ฟ๐˜๐—ฎ๐˜๐—ถ๐—ผ๐—ป ๐—ฒ๐˜ ๐—ฑ’๐—ฒ๐˜…๐—ฝ๐—ผ๐—ฟ๐˜๐—ฎ๐˜๐—ถ๐—ผ๐—ป ๐—ฎฬ€ ๐— ๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—ด๐—ฎ๐˜€๐—ฐ๐—ฎ๐—ฟ)

๐Ÿ“๐˜ฟ๐™š๐™ก๐™ฉ๐™– ๐™ƒ๐™ค๐™ฉ๐™š๐™ก๐™จ ๐˜ผ๐™ฃ๐™ฉ๐™–๐™ฃ๐™ž๐™ข๐™š๐™ฃ๐™–, 10 ๐™…๐™ค๐™ฃ๐™– 2026 – ๐˜•๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฑ๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข๐˜ง๐˜ข๐˜ฏ๐˜ต๐˜ข๐˜ณ๐˜ช๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ต๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏ’๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ฐ๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ข ๐˜ฐ๐˜ง๐˜ช๐˜ด๐˜ช๐˜ข๐˜ญ๐˜บ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ฐ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฏ’๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ต๐˜ฆ๐˜ต๐˜ช๐˜ฌ๐˜ข๐˜ด๐˜ข ๐˜ณ๐˜ฐ๐˜ข ๐˜ท๐˜ข๐˜ฐ๐˜ท๐˜ข๐˜ฐ ๐˜ฏ๐˜ข๐˜ต๐˜ข๐˜ฐ ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ด๐˜ฆ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ต๐˜ณ๐˜ข ๐˜ต๐˜ด๐˜บ ๐˜ฎ๐˜ช๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฌ๐˜ช๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ด๐˜บ ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฐ๐˜ณ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ช๐˜ง๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฌ๐˜ข๐˜ญ๐˜ฐ๐˜ป๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ข๐˜ณ๐˜ข-๐˜ฃ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฐ๐˜ต๐˜ณ๐˜ข ๐˜ฆ๐˜ต๐˜ฐ ๐˜”๐˜ข๐˜ฅ๐˜ข๐˜จ๐˜ข๐˜ด๐˜ช๐˜ฌ๐˜ข๐˜ณ๐˜ข.

โœ…Ny vondrona Eoropeana sy ny firenena Alemana no isan’ny mamatsy vola ny tetikasa PII sy FPIE izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ACTE ary mametraka ny ivon’ny asany amin’ny fanohanana ireo orinasa madinika sy salantsalany, ny fanamorana ny fomba fanao ara-barotra ary ny fanamafisana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.

Ny GIZ Madagascar no mandrindra ny tetikasa ary mikendry ny fandraisana anjara amin’ny fitomboana ara-toekarena matanjaka, indrindra eo amin’ny tanora, ny vehivavy ary ny orinasa eto an-toerana.

โœ…Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Tale Jeneralin’ny Fampivelarana ny sehatra tsy miankina ( DGDSP ), MANANARIVO Arlise Winnie, ka nambarany nandritra ny lahateniny fa zava-dehibe izao fiaraha-miasa izao ho an’ny fampandrosoana maharitra. Amin’ny maha avokavoky ny toekarena ny sehatra tsy miankina dia tsy azo iodivirana intsony ny fanohanana azy ireo indrindra amin’ny resaka haivao.

๐Ÿ“ŒNotsindriany fa mifanandrify amin’ny asa sahanin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) izao tetikasa izao izay mampiroborobo ny fanodinana ireo vokatra eny ifotony sy ny indostria.

Ny Fanjakana no manomana ny tokontany ilalaovana ary ny mpandraharaha no misehatra sy manararaotra izany tombotsoa izany koa andao isika rehetra hanangana indray ny ย ยป Made in Madagascar ย ยป matanjaka, hoy Hatrany Izy.

Vous aimerez aussi...